airtel

Politique

30-mai-2025

Kolonely Patrick

«Efa nanomboka ny « opération Ravatomanga » !

Sample post image

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

30-mai-2025

izay any ivelan’ny Firenena, saingy maneho fa manana ekipa sy mpanara-maso eto. Nanamafy ny fanenjehany sy fandrahonany ny mpandraharaha mpanefoefo akaiky ny Fitondrana dia Atoa Mamy Ravatomanga, ka naneho fa tsy mihemotra. « Efa nanomboka andro maromaro ny « opération Mamy Ravatomanga » sy ny forongony », hoy izy omaly 29 mey 2025. Nanao karazana toromarika manaraka ity farany, izay misy miendrika ara-miaramila ity farany : « Ho an’ny «zone alfa » dia hamafiso, hoy izy, ny fanaraha-maso, alaivo sary ny ireo vahiny mpiambina izay manaraka azy. Zone bravo, alaivo sary alefaso ny fandalovany, ny ora, ny sary. « Zone charlie », araho maso ireo mpiambina. Nampiditra ny tranga sy olana ara-tsosialy amin’ny olan’ireo orinasa sy sampan-draharaham-panjakana, ka nilaza fa tohina raha nahita vaovao mikasika ny haintrano nahitana ilay vehivavy iray velon-taraina, nanoloana ny resaka Jirama sy pompier tsy misy rano. Notondroiny ho « actionnaires » ao amin’ny Jirama, mpamatsy, matihanina amin’ny tsenambaro-panjakana maloto, tompon’andraikitry ny fikojakojana na « entretien », matihanina amin’ny fisintonana volam-panjakana makany amin’ny kaontiny manokana, resaka tanjaky ny milina, resaka fitaterana ny solika,… ilay mpandraharaha goavana io sy ny karana. Notondroiny ho olon-doza sy olon-dratsy na « criminels », ka « mbola ho avy aminareo ihany koa ry karana, ary mbola betsaka ny ampamoaka hataoko », hoy izy. Nilaza fa haneho ny fomba fitondran’ireo olona notononiny an’ireo manamboninahitra ity kolonely ity. « Izahao tsy tahaka ireo officier rahonana hogadraina sy terena hiteny zavatra », hoy ity kolonely ity.
« EFA MARO NY VAHOAKA SY MIARAMILA MAIMBO RA »
Niantefa ihany koa tamin’i Andry Rajoelina ! « Atoa Filoha Andry Rajoelina, averiko aminao! Efa maro ny vahoaka maimbo ra, efa maro ny foloalindahy maimbo ra, ka miteny aminao am-panajana aho hoe : vahao ity olana ity. Tsy olona iray anaty 30 tapitrisa no atahorana eto », hoy hatrany i Kolonely Patrick. Niantefa tamin’ny vahoaka ihany koa ity farany, ka nilaza fa namafisina ny fiambenana an’i Mamy Ravatomanga, ary efa tonga any aminy hatramin’ny horonan-tsary sy sary misy an’ireo moto manao « escorte ». Nolazainy fa misy mpitandro ny filaminana ampanaovina akanjo sivily sy mpikarama an’ady. Betsaka, hoy izy, ny vahoaka izay masolavitra ho azy. Nilaza fa tena hahita ity mpandraharaha ity. Nisaotra ireo tanoran’ny AFF izay nambarany fa nampita taminy mikasika ny volabe nalaina tao amin’ny CNaPS. Niantso an-dRtoa Haingo Ravatomanga hiresaka amin’ny vadiny sy hitolo-batana amin’ny mpitandro ny filaminana. « Omeko herinandro ianareo, mandehana eny amin’ny DPJ eny amin’ny Toby Ratsimandrava, fa na handeha blindé erak’Antananarivo sy erak’i Madagasikara aza ianareo tsy olana aminay, ary efa hitako ihany koa ilay fanamboarana « blindé » an’ny fiaranao ao Ambohidratrimo », hoy ity kolonely ity. Betsaka, hoy izy, ny zavatra fantany sy tonga any aminy. Nanamafy ny tsy fihemorany sy nampiomana ka hijery ny tantara mikasika ny «Mr et Mme Balkany » izay tsy nisy nanana tahaka azy fa tany am-pigadrana no niafarany.

TENA HISY HETSIKA ?
Nanamafy fa efa manomboka ny « opération» ary nampitandrina an’i Andry Rajoelina tsy hiaro fahatany sao hifiritika any aminy io raharaha io. « Raison y andraikitrao, atolory anay i Mamy Ravatomanga sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Ampy izay ! Maty ny vahoaka ! Maimbo ra ny vahoaka ! Betsaka ny zandary sy miaramila maimbo ra any anaty lakazerina any. Mbola averiko ry vahoaka, ary misaotra anareo efa manampy ahy, andao amboarina ny firenentsika. Tsy misy matahotra volabe eto, tsy misy matahotra ampitahorina eto. Raha hendry ianao r’ingahy Ravatomanga andana tsihifo ny ranomason’ny Malagasy may trano, very havana,… », hoy hatrany ity Kolonely ity. ». Na izany na tsy izany dia mbola mampametra-panontaniana hatrany hoe : ho tonga hatraiza izany ity raharaha ity ? Betsaka no liana hoe : inona marina no hataon’i Kolonely Patrick izay tsy eto an-tanindrazana ? Tena hivadika hetsika na « action » ve sa ho karazana fandrahonana an-tserasera ihany ? Ho tahaka an’i Jeneraly De Gaulle izay tany Angleterre no niantso ny Frantsay hanohitra rehefa resy an’ady i La Frantsa tamin’ny ady lehibe faharoa ny taona 1945 ? Nahoana ihany koa no i Mamy Ravatomanga hatrany no tena pehany kanefa vao miresaka ity Fanjakana ity sy ny tsy fahombiazana sy fahapotehan’ny Firenena dia mety ny Filoha Rajoelina fa tsy io mpandraharaha io no voafatotra satria iry voalohany tsy manana andraikitra ara-panjakana ofisialy ? Mety tonga amin’ilay fiteny vahiny hoe : « entre la peste et le choléra » raha asaina misafidy hoe : iza no tsara !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap
03-juin-2025

Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,

Card image cap
03-juin-2025

Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,

Card image cap
03-juin-2025

Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Card image cap