Ankalazaina any Antsohihy anio ny tsingerin-taonan’ny Repoblika voalohan’i Madagasikara izay teraka ny 14 oktobra 1958 Ny Filoham-panjakana, dia ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael no mitarika ny fanomezam-boninahitra ny fotoana, izay noraisin’ny vahoaka tamin’ny fomba manetriketrika omaly. Nanatrika izany ihany koa ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana mirahalahy sy mpikambana ao anatin'ny governemanta sy manamboninahitra sivily sy miaramila, ary olom-panjakana maro. "Fandrosoana", io no lohahevitra enti-mankalaza izay homarihina amin'ny fomba ofisialy ao Antsohihy, faritra SOFIA, nialohavana vavaka iraisam-pinoana izay tarihin'ny FFKM, tao amin'ny EKAR Saint-Paul Ambalabe, eto Antsohihy. Vantany vao tonga teto Antsohihy ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, mivady dia niara-niombom-bavaka tamin'ireo kristianina marobe, ho fangataham-pitahiana sy vavaka manokana ho an'ny Firenena ao anatin'izao fankalazana ny Fahafahana izao. Nandritra izany no nanamafisany, fa tena daty manan-tantara ho an’i Madagasikara io daty io. « Ny 14 Oktobra 1958 no nanapahana hevitra nialana tao anatin'ny maha zanatany frantsay i Madagasikara ! 14 Oktobra ihany koa naha Filohan’ny fanavaozana ahy. Tsy kisendrasendra izany, ary amiko dia mila mifoha isika Malagasy fa mbola tsy mahaleotena ka mila mahaleotena, mila miaina amin'ny volantsika sy ny harentsika, fa amin’izao fotoana izao dia mbola olona no mahamahana antsika, saingy tsy hiteny hoe iza,… Raha mbola izay no zava-misy dia tsy hanana fahaleovantena» hoy ny PRRM Randrianirina Michael. Fotoan-dehibe tena manan-tantara eto amin’ny Firenena. Antsohihy irery ihany no hankalazana azy rahampitso, fa raha sitrapon'Andriamanitra dia ho ataontsika manerana an'i Madagasikara ny fankalazana 14oktobra io isika », hoy hatrany izy. Nampanantena hanolotra milina 250 KVA ny Filoham-panjakana mba hampiasain'ny jirama. Nambara fa efa vonona ao moa io milina io, ka halefa avy hatrany any an-toerana. Nanome solon-dranomboakazo 20 tapitrisa Ar ho an’ny ho an'ny vahoaka ato ho fanohizana fety fanomezam-boninahitra fankalazana ! Notsidihiny manokana moa ny EPP EPP Philbert Tsiranana Anjihamagirana izay nambarany fa Ambohipihaonan’ny Malagasy, manana ny maha izy azy satria ny sekoly ao an-toerana no namoaka filoham-pirenena nitondra fahaleovantena ho an'i Madagasikara. Navaozina izy io, lasa vakoka ihany koa !
Toky R
HAFATRA HOAVANA HO AN’NY MPIASAM-PANJAKANA
Provide your feedback on BizChat