olona hiara-hiasa aminy etsy sy eroa, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana? Betsaka ireo mitady seza amin’izao fotoana izao ary toe-tsaina malagasy mahavoa antsika moa izay hoe rehefa manohana dia mila seza izay, hoy izy. Tsy azo terena ny fampandrosoana sy fandrosoana. Alaivo sary an-tsaina hoe misy fiakarana iray dia atosika hiakatra any ilay olona na isika vahoaka! Tonga eny an-tampony nefa dia hantsana no ao saingy terena hoe mirosoa ihany! Milatsaka anaty lavaka no hiafarany ka raha mba misy sendra tafajanona eny an-tampony indrindra dia ireny sisa izany no afaka mandroso. Toy ny terena handroso amina fiakarana miafara amina hantsana isika io izany! Mahafaty izany. Mila miverina isika no dikan’izany. Izay ilay hoe miverina ifotony. Manao ahoana marina i Madagasikara? Inona marina no tena ilain’ny olona eto? Raha tiana handroso haingana i Madagasikara dia tsotra ihany. Voalohany, ny fandriampahalemana. Faharoa, fampandrosoana ny tantsaha, izay 80%n’ny mponina eto Madagasikara. Tsy tokony hanafatra vary izany isika, raha ny tena marina. Mila manamboatra stratejia. Amboarina ny tohadrano rehetra, ny lakandrano rehetra, ny tanimbary karakaraina ho mamokatra kokoa. Ny fanafarana dia manabe vahoaka hangataka fa ny famokarana sy famoronana asa no hanala miandalana ny fahasahiranan’ny fanjakana, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo