airtel

Politique

27-mai-2024

Lalatiana Rakotondrazafy

Taratra eny amin’ny endriny ny fanahiana

Sample post image

Mipoapoaka amin’izao fotoana izao ny seraseran’ny heverina fa kandidam-panjakana ao Faratsiho, Lalatiana Rakotondrazafy.

27-mai-2024

Izy rahateo moa mpanao gazety ary nisehatra an-taonany maro teo amin’ny tontolon’ny serasera sy haino aman-jery nialohan’ny naha minisitra azy. Raha ny sary aparitak’ireo mpiandraikitra izay seraserany ao anatin’izao fampielezankevitra izao izay ihany koa dia vahoaka marobe hatrany no tonga manontrona ny famoriam-bahoakany. Valabetokana, Ambohiborona, Faratsiho, Miandrarivo, Ambondrona, Miandrarivo na aiza na aiza dia aseho an-tsary fa toa vahoaka be hatrany? Fomba fanaon’ny mpanao politika rehetra milatsaka ho fidiana rahateo moa io maka sary ny zoro na «angle» hitangoronan’ny olona be indrindra io saingy ny any anaty vata fandatsaham-bato ihany no tena hitsarana azy, hoy ny filazan-drizareo azy izay. Toy ny mahazaka vahoaka be daholo rehefa maka sary eny an-kianja. Raha iverenana, etsy ankilan’izay, ny mahakasika ilay heverina hoe kandidam-panjakana ao Faratsiho teo dia taratra eny amin’ny endriny ny fanahiana na eo aza izay serasera te hilaza mialoha fibatana fandresena izay. Inona no mety ho antony? Eo indrindra isika izao. Mipetraka ny fanontaniana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Kisarintsarina Fahaleovantena no mbola misy eto Madagasikara hoy ny Ben’ny

Card image cap