Tolona nataon'ny mpianatra niadivana tamin'ny fampianarana miangatra tamin'izany fotoana, saingy nivadika ho kihon-dalana politika niafara tamin'ny fionganan'ny Filoha Philbert Tsiranana izay vao avy lany tamin'ny isam-bato 90% mahery ny faran'ny taona 1971. "Io no tena tolom-bahoaka! Manana andraikitra ianareo tanora ankehitriny, niady izahay manoloana ny rafi-pampianarana niangatra, tsy nandeha tamin'izay laoniny, fa mbola izany no zava-misy amin'izao fotoana izao, mbola baikoan'ny Frantsay. Betsaka ny nitolomana tamin'ny mey 1972 kanefa mbola misy amin'izao, mbola misy rafi-panjanahana nataon'ny vahiny", hoy ny Fikambanan'ny Hetsika 13 mey notarihin-dry Rainidina Rajoharison, Gaby Vakiniadiana, Perle Rasoloarijao,… izay tratry ny antsojay sy sakantsakana. Vao maraina dia efa norakofana Emmo-reg teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey sy ny manodidina. Nanaovana antsojay ireo Raiamandreny na efa nahazo alalana avy amin'ny prefektiora aza. 20 isa ihany hoy ireo mpitandro ny filaminana no afaka manatitra voninkazo raha toa ka manodidina ny 40 eo izy ireo, ka tsy nanaiky izany kosa ny andaniny, niteraka fifamalian'ny roa tonta. Nalaina natao barofo ny sora-baventy sy saina nentin'ireo mpanatitra voninkazo. Niteraka fahasosorana sy fanehoan-kevitra mahery vaika sy mampisaintsaina. "Mahalala menatra lesy fa lahiantitra sy olon-dehibe voky taona ireo hahavita inona afa tsy hanatitra voninkazo ah?" hoy ny depiote teo aloha Paul Bert Rahasimanana na Rossy. Mbola nampiany hoe: "Isan-taona tompoko dia mametraka voninkazo eo amin'io toerana nitolomany io ity fikambanana hetsika 72 ity. Tsy banderole fitakiana na inona na inona iny la jainy iny fa anaran'ny fikambana, dia nisy an'izany Willy oh lala (Willy Razafinjatovo) izany, izany Perle izany, izany Rainidina izany mpitari-tolona 13 mey 72. Indro alefako aminareo ny sary momba izany teny nanomboka 2020 . Izany dia tsy hay!" . "Mitohy ny tolona, ny Malagasy mampalahelo, miha mahantra miha mahantra, fa ny fanaovana vono moka ny Malagasy ihany koa dia mampalahelo satria raha vao miteny dia fantatrareo tsara ilay hoe: alefaso aryyy", hoy kosa ireo mikambanan'ny Hetsika 13 mey.
FITONDRANA KANOSA, JADONA, MAHANA,...
"Fahatsiarovana ireo maty efa hatrany amin'ny 300 mahery no hatongavay eto! 30 taona izahay nanatitra voninkazo teto, androany izahay vao misy an'izany hoe 20 ihany no afaka miditra", hoy i Rainidina Rajoharison nanoloana ny zava-nitranga omaly. Nahitsy izy naneho, fa matahotra fanehoan-kevitra ny Fanjakana ary mahana amin'ny ataony. "Matahotra izy satria tsy mety ny zavatra ataony, matahotra sao haongan'ny olona, tsy maintsy manohy ny tolona mahery vaika isika hanovana izao zava-misy izao", hoy i Rainidina Rajoharison. Izaho, hoy izy, isan'ny nanohana an'io Andry Rajoelina io tamin'ny 2009 fa kivy Aho. Tsy nitsitsy ity farany naneho fa mbola zanantany Frantsay isika, ary vao mainka koa ny filohantsika antsika Frantsay, ka tsy misy antenaina mihitsy amin'izao Fitondrana izao hanova zavatra eto amin'ity Firenena ity. Henatra ho an'ny Fitondrana Rajoelina ny nitranga omaly, manamafy ny hakanosana politika, fanamafisana ny jadona efa maka endrika an'i Korea Avaratra sy ireo mitovy aminy. Rehefa ny volomboasary no manongam-panjakana, milanja vatam-paty eny amin'ny 13 mey, dia mety, fa rehefa ny hafa olona tsy misy 50 akory mandeha tanam-polo manatitra voninkazo dia ilana kisa sy atahorana hanongam-panjakana. Mahana ka izay mipoitra lazaina fa hanongana sy hanakorontana Fanjakana ? Sao dia mba efa aretin-tsaina ara-politika ?
Toky R
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy