airtel

Politique

27-juin-2024

Mahaleotena, asa soa, antokom-pinoana,…

Lasa fikafika hahazoana seza politika

Sample post image

Tsy vao tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo ihany fa saika efa hita ho fomba fanao nialohan’ny fifidianana

27-juin-2024

solombavambahoaka sy kaominaly 2019 ny hoe milatsaka amin’ny anarana mahaleotena na «indépendant», manangana fikambanana manao asa soa vetivety eo, mampiasa fiangonana na antokom-pinoana mihitsy aza mba hikendrena toerana politika na seza anaty fitondram-panjakana. Mety ho amin’ny alalan’ny fifidianana io. Mety amin’ny alalan’ny fanendren’ireo tomponandraiki-panjakana efa eo ihany koa. Tao ireo mody nanao famakafakana politika na famakafakana raharaham-pirenena vetivety teo. Nitabataba eraky ny tambazotran-tserasera toy ireny efa ela nietezana tamin’ny fiarovana tombontsoam-bahoaka ireny ery nefa nony nahazo toerana dia tsy hita. Aiza izao ireo fatra-pilaza azy ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa? Farany teo moa dia nisy filazana sahady fa kandida ho solombavambahoaka nilatsaka tamin’ny anaran’ny mahaleotena miisa 30 teo, izay lany, raha ny vokatra vonjimaikan’ny CENI, no efa nanao fanambarana fa hiaraka amin’ny vondrona politika manohana ny fitondrana sahady. Ny sasany tamin’ireo kandida mahaleotena aza sahy milaza mihitsy, fony mbola tamin’ny propagandy, fa tsy manao politika na koa hoe tsy mpanao politika. Hilatsaka ho fidiana solombavambahoaka nefa izy amin’io. Hifaninana haka toerana politika nefa amin’io. Ho solombavambahoaka ato ho ato ve sanatrian’izany dia tsy hahay ny famaritana ny atao hoe politika? Ny sasany efa niaraha-nahita miharihary fa fatra-pisetrasetra hatrany ireo olony sy mpanaradia azy nefa izy ireo dia mampiseho ny sariny hatrany amin’ny haino vaky jery sy tambazotran-tserasera fa tena mivavaka dia mivavaka. Raha fehezina, araka izany, dia hita ho lasa fikafika hahazoana seza sisa no tena mameno ny firenena ankehitriny fa tsy tena misy mitondra ny atao politika amin’ny paika sy lamina hampandrosoana firenena, araka ny famaritana fototra grika azy loatra intsony, raha ny eto Madagasikara manokana aloha hatreto no resahana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap