airtel

Politique

15-oct-2026

Malagasy Miara-Miainga

"Mbola maro ireo fanamby

Sample post image

miandry ny firenena"

15-oct-2026

Fanambarana no nentin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga na MMM tarihin'i Hajo Andrianainarivelo nanamarika ny tsingerintaona voalohan’ny Fitondrana Fanavaozana izao,14 Oktobra 2025 - 14 Oktobra 2026. Tao anatin'izany no nanamafisan'ny MMM ny fanohanany ny Fitondrana Fanavaozana tarihin’ny Kolonely Mickaël Randrianirina sy ireo Mpanolontsaina Avo ary nanehoany ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ireo fanovana entina hanorenana firenena vanona sy hampandrosoana an’i Madagasikara. "Mbola maro ireo fanamby miandry ny firenena. Mitaky fahavononana, fandraisana andraikitra ary fiaraha-mientan’ny rehetra ny fanatanterahana izany, mba hahazoan’ny Malagasy vokatra mivaingana eo amin’ny fiainany andavanandro", hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy ny fahavononany hatrany hiara-dia amin'ny Fitondrana ny Antoko MMM ho an'ny fanamafisana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanatsarana ny fiainan'ny olom-pirenena, ary hanomana hoavy tsaratsara kokoa ho an'ny tanora, sy ho an'ny Taninjanaka.
Nangonin'i Jean D.
Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalin'ny antoko MMM
 

Dans la même rubrique

15-oct-2026

karazana fanambarana politika

Card image cap
15-oct-2026

Tontosa tao Antsohihy ny lanonana

Card image cap
15-oct-2026

Hafaingano ny dinika politika

Card image cap
14-oct-2026

fa tsy mbola tena mahaleotena

Card image cap