Andry Rajoelina, ny alahady teo, hoy ny antoko politika, Madagasikara endrika vanona na Maeva. Volan-kakafotra omaly tsy miova ireny, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana. Hanomboka hitondra ny tany sy firenena ve ianao, hoy izy, dia tsy hahafantatra mialoha ny tokony ilaina eto Madagasikara sy ny tokony ho vahaolana entina amin’izany. Efa miditra amin’ny fotoam-piasana faharoa ianao fa aza entina kitsapatsaka ity firenena ity! Taninareo frantsay ny nosy manodidina koa hitady lalana mankany ahoana ianao? Mila «Visa» na fahazoan-dalana angaha ny mankany? Aza veriverezina amina resaka ronono an-tavy ny vahoaka malagasy! Efa tonga saina ny vahoaka malagasy! Efa mahafantatra ny setroka sy ny ranomaso, ny mahitsy sy tsy mahitsy. Efa mahafantatra an’io fanaovana politika sinema hambotriana azy eto amin’ny tany sy firenena io ny vahoaka malagasy. Tsy misy izay tsy miresaka izany tontolo ambanivohitra izany amin’ny resaka fambolena hoe sompitra i Madagasikara. Tsy ny fahatongavan’ny COI teto akory no hampiakatra ny vokatra ho 7 na 8 Taonina isaky ny hektara. Tsy misy miteny hoe ratsy ny fiaraha-miasa amin’ny COI na ny sehatra iraisampirenena fa eto amin’ity firenena ity mbola tena mila vahaolana iarahan’ny vahoaka malagasy rehetra. Iza no tsy efa nampidina ny trosa nitrosan’ny vahoaka malagasy ireo firenen-dehibe ireo? Tsy vao sambany izany frantsay nampihena ny trosan’ny malagasy izany fa tsy mbola mampihetsika ny aty vilanin’ny isan-tokantrano izany andriamatoa filoha. Sady miloloha trosa ao an-tokantrano no trosa eto amin’ny firenena izao ny malagasy! Noho ny tsy fahaizanareo mitantana ity firenena ity am-polo taona no anton’izany. Samy tomponandraikitra isika fa ilay andraikitra no mety tsy mitovy satria ianareo no mitondra ankehitriny. Raha manana fitiavan-tanindrazana dia hetseo ny vahoaka malagasy tia tanindrazana rehetra, fa betsaka izy ireo, hifampiresaka hamaha ny olana faran’izay haingana, indrindra amin’ny lafiny politika satria hiditra isika amin’ny lafiny fifidianana! Mba ilay 3 taona sisa ijanonanao eo tokony hisy dian-tanana momba ny zava-bitana mipaka marina any amin’ny vahoaka fa raha izao no mitohy dia aza miheritreritra ny ho tafaverina eo ianao sy ny ekipanao! Misy olona afaka hitondra an’i Madagasikara amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny Maeva.
J. Mirija
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy