airtel

Politique

31-août-2026

Mamy Ratovomalala

Voatendry ho ambasadaoro

Sample post image

any Royaume-Uni

31-août-2026

Voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Royaume-Uni de Grande-Bretagne sy Irlande Avaratra i Mamy Ratovomalala. Tsy anarana vaovao eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara, na tsy dia re feo firy aza tao anatin’ny fotoana naharitra, indrindra taorian’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018. Efa minisitry ny Fampindram-bola sy ny Asa tanana izy, tao anatin’ny governemanta Tantely Andrianarivo tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000. Nandritra ny vanim-potoanan’ny Tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina kosa dia efa mpanolotsaina manokan’ny filona tamin’izany, nitana ny toeran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny solika tao anatin’ny governemanta Camille Vital ny taona 2010-2011. Rehefa niala tao amin'ny governemanta dia notendrena ho Tale Jeneraly teo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika. Tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2013, tsy nanohana an'i Hery Rajaonarimampianina fa nitarika ny fampielezan-kevitry ny Jeneraly Camille Vital, saingy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta taty amin’ny taona 2018. Amin’izao fanendrena azy izao, mandeha ihany ny tsikera sy adihevitra noho ny hoe : naha akaiky azy an’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoan’androny, saingy heverina fa stratejika ny fanapahan-kevitra. Raha ny tantara, dia nisara-dalàna tamin’i Andry Rajoelina ary sahy nilaza ampahibemaso fa « tsy matotra i Andry Rajoelina ! Tsy aventure toy ny tamin’ny 2009 ny fitantanana Firenena,… », ka nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena 2018, dia nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa. Nahafantarana azy koa ny ampamoaka mikasika ny fanodikodinam-bola nataon'ny fitondrana Andry Rajoelina mikasika ny vola azo tamin'ny Wisco Soalala tamin'izany fotoana, izay izy rahateo no Minisitry ny harena an-kibon’ny tany heverina fa nahalala tsara ny dosie,... Ny fanendrena azy ho solontenan’i Madagasikara any Londres dia heverina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika famelomana indray ny rafitra diplaomatika amin’ireo toerana sy firenena stratejika, izay efa natomboky ny fitondrana tato anatin’ny volana vitsivitsy. Ny toeran’ny ambasadaoro malagasy any Royaume-Uni dia efa tsy nisy mpitondra nanomboka hatramin’ny fandroahana an’i Andriniaina Bretino Raharinomena. Ity farany dia voatendry tamin’ny volana Aogositra 2018, taorian’ny fanokafana indray ny ambasady tany Londres, saingy voatery niala tsy ela akory taorian’ny fanovana fitondrana politika tamin’ny fiandohan’ny taona 2019. Maro amin’ireo toerana heverina fa tena manan-danja amintsika no efa nametrahana ambasadaoro, izay tsikaritra ho haingam-piasa ny Fitondrana fanavaozana, izay efa nihoarana lavitra ny isan’ny ambasadaoro voatendry tao anatin’ny herintaona latsaka, mitaha ny 5 voatendry tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina nandritra ny 7 taona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Nitohy omaly tolakandro teny

Card image cap
03-sept-2026

Hajaina ny fe-potoaka,

Card image cap
03-sept-2026

Ambasadaoro Frantsay Jean-Marc Grosgurin

Card image cap
02-sept-2026

Mila havahana tsara mba tsy ho lasa fialokalofana…

Card image cap
02-sept-2026

Madagasikara dia fifidianana tsy tena izy»

Card image cap
02-sept-2026

Hangonina manomboka anio

Card image cap