amin’ny antontan-taratasy sy porofo rehetra izay tonga sy napetraka teny amin’ny HCC omaly, hoy i Marc Ravalomanana isan’ireo mpanao politika niatrika ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy omaly, izay nanamarika fa anisan’ireo nandefasana fanasana ka namaly dia tonga mba ho mariky ny fahalalam-pomba. Tena mahavariana, hoy izy, ny tsy fanarahan-dalàna, ary tena marina ny nambaran’ny mpanara-maso safidy, hoy ny fanamarihany. Nasian’i Marc Ravalomanana teny manokana ny fisian’ireo toerana maro notsidihin’ny filoham-pirenena tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana nisiana propagandy ankolaka. Tsy azony atao mihitsy ny mandeha amin’ireny satria tsy azony afangaro ny asa maha filoham-pirenena azy sy ny andraikitra politika. Nahitsy noho izany i Marc Ravalomanana nilaza fa tsy mbola nisy tahaka ity, raha tsy hilaza afatsy ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana, fanitsakitsahana ny lalàna velona, fa indrindra indrindra indrindra ny fampiasana ny fahefam-panjakana toy ny sefom-pokontany, lehiben’ny distrika, mpampianatra,… Ny tena olana eto Madagasikara dia ny tsy fanajana lalàna ! Matoa izahay manangana ny KMSB (Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka) dia mba tena te hanangana tany tan-dalàna, te hanaja ny demokarasia, fanajana tahaka ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny lalàna 2018-008 mikasika ny fifidianana, fa indrindra indrindra ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, toy ny kajaikajy tamin’ny fanoloana ny sefom-pokontany, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Tahaka izany ihany koa ny filazana ny mpanohitra ho mangala-bato ka diso izany raha tsy manam-pahefana ianao, hoy izy. Ny sefom-pokontany sy ny sefo distrika fehezin’ny minisiteran’ny atitany, ny mpampianatra tena mampalahelo ny nanaovana azy,… Nomarihiny fa 10 na 11 ny mpifidy eto amintsika kanefa tsy voafehy.
Toky R
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy