airtel

Politique

15-oct-2026

Mirangorango ?

Manomboka mitombo ireo

Sample post image

karazana fanambarana politika

15-oct-2026

samihafa mikasika ny raharaham-pirenena, ao anatin’izao dingana firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena izao. Samy manana ny ambarany, fa ny itovizany dia samy mahay miresaka sy tena havanana amin’ny politika, ary manana vahaolana ho an’ity Firenena ity. Betsaka ireo mpanao politika tsy vaovao amin’ny fiainam-pirenena sy mba efa fantatra sy hita ihany ny nafitsony. Misy aza moa tena tao anatiny sy lohan’ny mpisorona tamin’ilay fitondrana nampikolay vahoaka farany teo, saingy dia tena manome lesona toy ny tsy misy kilema ankehitriny. Dia samy mikofokofoka manamboamboatra ny kajiny. Mandeha ny fitadiavana hirika rehetra hoe : aiza no hahafahana mitsofoka ? Inona no fahalemen’ny fitondrana ? Mandeha ohatra ny fivoizana mafy ny resaka « dinika politika » izay toa tadiavina hafangaro amin’ny hoe : « fikaonandoham-pirenena ». Mety mifameno ihany ireo, saingy ny manahirana dia ny mety ho fiheverana fa fizarana seza sy fahefana no vahaolana hivoahana amin’ny krizy, ka izay no hikofokofohana. Zava-dehibe ny fanambarana samihafa, tsy tokony hisy hahilika amin’ny raharaham-pirenena, ary ekena ny fanehoan-kevitra satria ny hevitra tera-bary, tena zava-dehibe ny finiavan’ny tsirairay haneho fa tena mandray manana adidy sy andraikitra amin’ny Firenena,… saingy raha mbola hoentina amin’ny kivondrombondrona hirangorango seza dia tsy hisy fiovana antenaina.
Toky R

Dans la même rubrique

15-oct-2026

miandry ny firenena"

Card image cap
15-oct-2026

Tontosa tao Antsohihy ny lanonana

Card image cap
15-oct-2026

Hafaingano ny dinika politika

Card image cap
14-oct-2026

fa tsy mbola tena mahaleotena

Card image cap