foana isan-taona, fa tamin’ity taona ity, dia nanampy trotraka ny olana ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Niakatra 1,5% ny fiakaran’ny hafanan’ny tany eto amintsika. Firenena maro taty Afrika no nambarany tratry ny ahitany goavana ka nihena ny tahan’ny rano. Nampihena ny famatsian-drano sy ny famokarana herinaratra ho antsika tany Andekaleka. Raha fehezina misy zavatra tsy miankina amintsika izao zava-misy izao, saingy tsy maintsy mitondra vahaolana, hoy i Andry Rajoelina. Ny mbola manavotra sy mora ny famokarana dia ny tohodrano ao Andekaleka, fa ny olana raha tokony hamokatra 112-120MW kanefa amin’ny hariva 29MW fotsiny ary eo amin’ny 40MW eo ny maraina. Tsy maintsy mampiasa ireo milina mampiasa menaka mavesatra sy gazoala, izay mitarika fandaniana be. Ny toromarika nomena dia tsy tokony hisy delestazy intsony amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10ora alina. Miteraka fandaniana satria eo amin’ny 20-22 kamio, eo amin’ny 30 000m3 isan’andro ny filàna solika. 600 tapitrisa Ar isan’andro ny tsy mampisy delestazy eto Antananarivo izany hoe : 18 miliara Ar isam-bolana no tsy maintsy iantohan’ny Fanjakana amin’ny menaka mavesatra. Mampiasa 300 miliara Ar eo ny TAC sy ny an’ny Henri Fraise mampiasa gazoala, izay tsy lazaina intsony ny fahaverezana noho ny halatra, hoy i Andry Rajoelina.
TSY NANOME SOLIKA NY ORINASAN-TSOLIKA, MANILIKA AMIN’NY JIRAMA
Nanao fanekena tamin’ireo orinasa mamatsy ny solika ny Jirama fa handoa 26 miliara Ar, ary ny Fanjakana 30 miliara Ar, kanefa tsy naloan’ny Jirama manontolo rehefa faran’ny volana fa mety 16 miliara Ar, hoy i Andry Rajoelina. Vokany, nambarany nanenjana ireo mpandraharan’ny solika fa tsy hanome rehefa tsy aloa manontolo. Ny tetibolam-panjakana manontolo no voatery nahena hanampiana ny Jirama. Anisan’ny nandrombinana ny an’ny Minisiteran’ny fampianarana, fa nanesorana daholo ny rehetra, nandrombinana ny resaka solika, najanona aloha ny fanamboarana gymnase,… niezaka namafa an’ilay hoe : ny an’ny fampianarana. Nidina teny nanome toromarika fa tsy tokony hisy delestazy intsony. Maninona no mbola misy ny delestazy ? Misy tsirambina niniana natao sa tsy fahaizana miasa ? Izaho Filohan’ny Repoblika fa tsy mpiasan’ny Jirama na ny Minisitra. Rehefa manome toromarika ny Filoha dia tokony hisy ny fanatanterahana. Nialohan’ny nidinana no efa nanoratra ny tany amin’ny Galana fa tsy afaka mamoaka solika ny 1-2 novambra ka nanome toromarika, saingy tsy taitra ny mpitantana. Ireo fokontany izay tena be olona nifidy sy mpanaraka ahy no tapaka daholo toa an’Ankasina, 67ha, Andohatapenaka,… izay mbola saika hotapahana ka mampametra-panontaniana, hoy i Andry Rajoelina milaza fa nisy mpanakorontana. Toa te hiteny i Andry Rajoelina fa manao sabôtazy ny Jirama. Iza no mpanakorontana sy mamboly korontana eto ? Mbola nampiany aza fa misy tsy faly amin’ny hivahan’ny olan’ny delestazy, ka nilazany fa tsy maintsy hovahany io ! Nambara fa misy olom-bitsy manararaotra, ary misy mamboly korontana. Moa tsy vokatry ny tsy fahavahan’ny Fanjakana olana ve ny 95% amin’ireny fidinana an-dalambe ireny no toa lasa misora-tena ho lasibatra na «victime » indray ny Fitondrana ?
Toky R
Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.
Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,
Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery
Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.
Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana
Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024