Teo amin’ny tokontany malalaky ny Magro no nifamotoana izy ireo niaraka tamin’ireo mpomba azy izay tonga marobe tokoa.Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana nentina hisaorana sy niderana an’Andriamanitra ny hetsika. Nitohy tamin’ny fanaovana diabe nitety tanana tao anatin’ny filaminana izany, izay nampihetsi-po ny maro tokoa. Toy ireo faritra rehetra sy ny teto Antananarivo dia ny fitakiana ny fanajana ny lalam-panorenana sy ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara eken’ny rehetra no anton’ny fitakian’izy ireo. Toraka izany ihany koa ny fialan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana sy ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Narahin’ny mpitarika fanazavana ny zava-misy iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao.Nambaran’Atoa Andriamalala Herimanana izay nisolo tena ireo kandida miisa 11 moa fa hitohy ny hetsika ary hihamafy izany. Miandry ny lamina sy ny toromarika avy aty Antananarivo izany izy ireo mha hahatrarana ny tanjona tian-ko kendrena.
Pati
Maro tamin'ireo namako nanompa sy nanenjika ary nihevitra ahy ho mpankahala
Voaheloka 20 taona sazy mihatra i Médecin-Colonel Patrick Rakotomamonjy.
Na inona na inona fanazavana omena eo, ny tsy azo lavina dia misy olana ny resaka solika
Isan’ny mbola adihevitra ara-toekerana sy ara-tsosialy ankehitriny ilay resaka TVA 20%
Efa namafisin’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola fa tsy
Tsy tena mazava ny akon'ny fivoriana mikasika ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa