airtel

Politique

21-sept-2022

Politique

Na Ravalo, na Rajoelina, na olon-kafa “Na iza ho lany, ny omaly ihany no hiverina raha…

Sample post image

Miharatsy ny sary politika miseho eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, efa akaiky ihany koa ny fifidianana, ka mila alamina izany satria mahatonga savorovoro eto amin’ny firenena. Mety misy manana tombotsoa amin’ny savorovoro. “Tsy tokony hafantoka any amin’ny Filoha Marc Ravalomanana na ny Filoha Rajoelina ny olana,

21-sept-2022

fa ny olana eto dia ny “système” na ny rafitra, ny fanorenana ara-toakerana, ara-tsosialy, ny resaka rafitra hitondrana ny firenena. Efa vokatry ny tsy fanarahana ilay “système” ilay izy fa tsy hoe: ireo olona ireo no nahatonga ilay olana, raha ny fanehoan-kevitr’I Dr Rabe Landry Olivier Manam-pahaizana ara-toekarena, mpikambana teo anivon’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Maninona ny olona no mangataka foana hoe asio ny fikaonan-doham-pirenena? Matoa misy izany dia ny rafitra no tokony hamboarina ao. Aminy, efa vokatry ny tsy fanarahana sy faharatsiana rafitra ny zavatra mitranga. Raha tsy nampisy olana ohatra ny fametrahana ny rafitra momba ny fifidianana tahaka ny CENI, HCC, lalàm-pifidianana… tsy misy misy tabataba eo, malemy ilay rafitra. Tahaka izany ihany koa ny lafiny famokarana hoe: iza no mifehy azy eto, mbola mianjera any amin’ny 500 dolara ny harin-karena faobe (PIB) antsika, rehefa jenerana ny “doing business” mikasika ny fandriampahalemana dia voasokajy ho sarotra be ny antsika aty. Mila jerena, hoy ny Dr Rabe Landry Olivier hoe: ahoana marina ny vinam-piarahamonina tokony hiainantsika? Tokony hilofosana ny fanatsarana ny fampandehanana ireo rafitra. Aminy, tsy ny fandraisana ny fahefana no mahaika, tsy any no vahaolana fa ny fototra dia ny hoe: ahoana marina ny vinam-piarahamonina mety amintsika? Fanatsarana ny lalàmpanorenana, fampandehanana ny rafi-pahefana 3 misy mba hanaraka ny lalàna sy fototra tokony handehanany,… no tokony hilofosana. Tena mila manao ny asany sy mpanatanteraka ny lalàna ny fahefam-pitsarana fa tsy ho voahendrikendrika lava ho mpanao kolikoly. Mila fifampitokisana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny olona entina. Ny mpanao lalàna indray: tena manao ny asany araka ny tokony ho izy ve ny solombavambahoaka sa lasa solon-javatra hafa? Any no tokony hifotorona fa tsy handeha hiazakazaka any amin’ny fakana fahefana. Na iza na iza olona lany eo ka mbola handika lalàna, tsy hanaraka ny voalazan’ny lalàmpanorenana, tsy hanao ny asany ireo olona tokony hampihatra ny lalàna dia ny omaly ihany no miverina eo, hoy ny Dr Rabe Landry tsy nisorona.

Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap