airtel

Politique

28-janv-2025

Namaly ny CCOC ny mpitondra be mokon-doha

« Tokony hanabe ianareo fa tsy hanohitra be fahatany… »

Sample post image

Nitondra valy bontana ho an’ny Vondron’ny Fiarahamonim-pirenena izay nitondra tsikera

28-janv-2025

mivaivay mikasika ny tetikasa Lac Iarivo ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponena. "Tokony hanabe ny olona amin’ny fampandrosoana ianareo firaisamonim-pirenena fa tsy hanohitra be fahatany", hoy Atoa Gerard Andriamanohisoa nanome lesona. Voafehin’ny mpitondra ve ny antsoina hoe : OSC (Organisation des Sociétés Civiles) sa faly hanenjika sy hanadio tena fotsiny ? Raha hiverenana, nitaky mangarahara amin’ny vola mivoaka, ny antsipirian’ny fifanarahana ary ny loharanom-bola mikasika ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Lac Iarivo » ny Vondron'ny fiarahamonim-pirenena CCOC (Collectif Citoyens et des Organisations Citoyennes), araka ny fanambaran’izy ireo ny 21 janoary lasa teo. Tsy tao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na ny LFR 2024 sy ny tetibolam-panjakana 2025. « Tokony handray andraikitra ny depiote hijery hoe : aiza ho aiza tsara ny laharam-pahamehana sy ny vokatra azo tsapain-tànana ho an’ny tombotsoam-bahoaka 80% lazaina fa mahantra mikasika io tetikasa io. », hoy ny CCOC izay nanamarika fa tsy lasa antoko mpanohitra izy ireo fa mitaky mangarahara. Isan’ny notsikafonin’izy ireo ihany koa ny tsy fangaraharahana mikasika ny « Fond souverain » izay tsy fantatra mazava intsony fomba fitantanana azy. Lasa sokajiana ho mpanohitra fampandrosoana indray izany ny Fiarahamonim-pirenena ? Firifiry moa ireo tetikasa nandanian’ny Fanjakana Rajoelina vola tsy toko tsy forohana sy heverina fa tsy laharam-pahamehana izay toa tsy tena nijerena tombotsoam-bahoaka fa nentina tamin’ny aigam-panahy sy izay maha diavolana ny sainy ? Nandaniana 77 tapitrisa dolara na 345 miliara Ar eo ny kianja Barea fa inona no tena vokatra sy tamberiny entiny ho an’ny Firenena ? Nitrosana 152 tapitrisa euros na 800 miliara Ar latsaka kely ny teleferika fa hitondra inona ? Na ny fampiodinana aza mbola handany vola fa tsy hampiditra ? Na ny trosa aza mety any amin’ny 15 ka hatramin’ny 20 taona vao tafaverina ? Izany ve no fampandrosoana sa trosa manandevo ? Dia rehefa tsikeraina ireny dia fanakanana fandrosoana ? Ireny no maika sy laharam-pahamehana eo anatrehan’izao fahantran’ny Firenena izao ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap