ny tantara ny filohan’ny antoko politika Monima, Monja Roindefo. Zava-dehibe eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona io vanim-potoana io, hoy izy, satria dia fandresen’ny fahafahana, ny zo fototra sy ny demokrasia. Notsiahiviny tamin’izany ireo namoy ny ainy an-tapitrisany maro, mpiady mahery fo, izay nahitàna afrikanina sy malagasy. Rehefa vita moa ny ady dia tonga saina ireo malagasy hoe isika niady ho an’ny fahafahana ary nanavotra ny frantsay tamin’ny nazisma ka nahoana isika no tsy mendrika ny mba hiaina amin’izany? Teo indrindra no nitsangana i Monja Jaona, izay voaantso an’ady, namondrona ireo miaramila gasy avy niady ka nanangana ny Jiny, fikambanana miafina, hiady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara. Ny vahoaka rahateo nitady mpitarika satria efa leon’ny jaly. Ny paikadin’ny MDRM moa dia ny fahaleovantena miaraka amin’ny mpanjanaka ka naleon’ny vahoaka nandray fitaovam-piadiana hitakiana ny tena fahaleovantena rehefa tsy niheritreritra ny hamotsotra an’i Madagasikara mihitsy ny fratsay. Vaky noho izany ny tolon’ny 29 martsa 1947. Marihina, hoy hatrany ny tenany, fa ny Jiny ihany no lasa antoko Monima ny taona 1958.
J. Mirija
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy