airtel

Politique

10-janv-2025

Niaro tena, namely ny mpanohitra ny CENI

« Tsy izay eritreretinareo ho lany no lany fa… »

Sample post image

Nitondra fanazavana sy valin-kafatra miendrika fiarovan-tena mamely ny mpanohitra manoloana ireo

10-janv-2025

ahiahy ara-pifidianana samihafa ny CENI omaly 09 janoary 2024. Tafiditra ao anatin’io ny resaka « ordonnances », ka isan’ny nopalana manokana ny Antoko TIM. Tamin’ny 03 oktobra 2024 no tonga teny amin’ny CENI ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana niaraka tamin’ny depiote sasantsasany anatin’ny TIM, dia nametraka taratatasy mahakasika ny « ordonnances » hoe : tokony hekena ny fahafahan’ireo manan-jo hifidy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny « ordonnances » avoakan’ny Fitsarana, taratasy nataony izany », hoy ny Sekretera mpanatanteraky ny CENI Tseheno Rakotondrasoa. Nivoaka ampahibemaso sy naparitaka ihany koa ny « ordonnance » an’i Tojo Ravalomanana. Tsy tao anaty lisi-pifidianana nifarana tamin’ny 15 mey ihany koa i Tojo Ravalomanana, ka tamin’ny alalan’ny « ordonnance » no nahafahany niditra tao anaty lisi-pifidianana sy nahafahany nirotsaka, ka raha tsy nisy an’izay dia tsy kandida teto Antananarivo izy, hoy ity olon’ny CENI ity. Aza avilivily ny resaka fa ny Filoha teo aloha Ravalomanana no isan’ny nangataka ny fahafahana mampiditra mpifidy amin’ny «ordonnance », hoy io Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny CENI io. Nampahatsiahy io rafitra io tamin’ny alalan’ny Tale misahana ny Informatika Atoa RANAIVODIMBY Albert, fa tamin’ireo lisitry ny olona nahazo « ordonnances» 68479 dia miisa 34 988 ny mpifidy teto Antananarivo Renivohitra. Ny 20 79 tamin’io 34 988 io izay manome 5,94% no nandeha nifidy, hoy ny CENI. Raha ampitahaina amin'ny voka-pifidianana teto Antananarivo Renivohitra kosa, dia 0,80% izany no nandeha nifidy raha ny tatitry ny CENI hatrany. Somary manitikitika ao anatin’ity ny hoe : nitombo 68479 ny isan’ny mpifidy, kanefa tsy nisy fanitarana birao fandatsaham-bato. Ny lalàna anefa mamaritra fa 700 ihany ny mpifidy isaky ny Birao fandatsaham-bato.

TSY ARA-DALANA…
Nanizingizina sy niaro tena mafy ny CENI fa tsy misy olona iray na olona vitsivitsy afaka manova ny valim-pifidianana, nilazana fa tsy misy resaka hala-bato izany. Mikasika ny fanaovana fampitahana fitanana an-tsoratra na «PV », dia tena zon’ny kandida ny manao izany araka ny andininy 192 amin’ny lalàna 2018-008, ary teren’ny lalàna amin’izany ny CENI. Nilaza anefa io rafitra io CENI fa vitsivitsy ihany ny antoko na kandida nanao izany tamin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity, ka notsipihin’Atoa Tseheno Rakotondrasoa fa tsy isan’ny nanao an’io ny TIM raha ny teto Antananarivo. Notsipahana kosa ny fangatahana fampitahana ny lisitry ny « Ordonnances » satria ny Ceni ihany no manana ny lisitr' ireo olona nahazo « ordonnance » fa tsisy antoko politika manana izany ka antony tsy naneken'izy ireo hanao fampitahana sady tsy voalazan'ny lalàna ny tokony hanaovana izany, hoy ny valy bontan’io rafitra io. Ny tonia mpanatanteraky ny CENI izay sahy nilaza mihitsy fa tsy izay miteny isan-kariva amin’ny fahitalavitra no manana ny marina, ka nilazany fa tsy izay eritreretin’ny ampahan’olona no lany fa izay safidin’ny maro an’isa, ka izay ve no hitondrana korontana. Na milaza aza ny CENI fa fanazavana teknika no natao ary tsy manam-pahavalo, dia tsapa sy tsikaritra ihany ny endrika fanenjehana ara-politika. Tena nadio ve ny fifidianana ? Tena lanim-bahoaka ve ny kandida lazain’ny CENI fa lanin’ny maro an’isa ? Mahatsiaro sy mahatsapa ho atokisan’ny rehetra ve ny CENI ? Tena tsapan’ny rehetra ve ilay fahaleovantena sy tsy fandraisana baiko politika ? Andrasana ny tohiny sy ny mety ho setriny !
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap