airtel

Politique

14-févr-2024

Nitsangana ny Kolektifa an’ny malagasy

«Tsy haharesy fahantrana izao fitantanana izao, mila hijoro isika!»

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina omaly ny Kolektifa an’ny malagasy,

14-févr-2024

fantatra tamin’ny hoe «Collectif des 11 candidats» teo aloha, fa miray hina izy ireo anatin’ny fandaminana ara-pitantanana demokratika efa napetraka nanomboka tamin’ny tolona 2023. Mitohy hatrany ny tolona, hoy izy ireo, satria tsy mbola tanteraka ny fitakiana ny fifidianana eken’ny rehetra ahatongavana amin’ny fanjakana tan-dalàna. Mahatsiaro manana adidy ny Kolektifa an’ny malagasy hijoro ary hiteny hatrany ireo fitantanana tsy mahomby izay miteraka fahasahiranana lalina ho an’ny vahoaka malagasy. Tao aorian’ny fivoriana tsy ara-potoana teny anivon’ny parlemanta sy ny fanambarana nataon’ny CENI ny alatsinainy 12 febroary 2024 dia mibaribary ankehitriny fa tsy vonona ny mpitondra amin’ny fifanakalozan-kevitra demokratika hametrahana ny fitoniana na dia nisy fanovana ny lalàna mahakasika ny fifidianana nataony aza. Takiana hatrany ny hanadiovana tsy misy hatak’andro ny lisi-pifidianana sy hanatsarana ny lalàm-pifidianana hampanjakana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna ary mampanjary ny tena demokrasia eto Madagasikara. Manamafy hatrany ary resy lahatra tanteraka ny Kolektifa an’ny malagasy fa ny fifidianana eken’ny rehetra ary tanterahina anaty fahamarinana sy fanarahan-dalàna ihany no lalana demokratika hisian’ny fitoniana sy antoky ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mitotongana izay tsy izy ny farim-piainan’ny malagasy noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra sy ny kolikoly avo lenta mamatotra ireo manam-pahefana tahaka ny miseho any Londres ankehitriny. Tsy voafehy ny fidangan’ny vidim-piainana noho ny tsy fisian’ny politika mazava miompana amin’ny fampandrosoana sy famokarana fa ny serasera sy ny endrika ivelany no imasoana. Potika avokoa ireo fotodrafitr’asa fototra tokony ho entina hanamora ny andavan’andron’ny malagasy satria tsy voaharaka ireo mangarahara angatahin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy ho voavaha mihitsy ireo olana ireo na dia mbola ao anatin’ny 3 taona. Ny Kolektifa an’ny malagasy dia manameloka tanteraka ny famotehana ny orinasam-panjakana tahaka ny Air Madagascar, JIRAMA, ireo mpandraharaha malagasy izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana.
MANENTANA NY REHETRA HIJORO
Manentana antsika hiray hina sy hijoro hatrany ho an’ny tombontsoan’ny malagasy maro an’isa ary tsy hitsahatra hikatsaka ny fanjakana demokratika ahafahan’ny tsirairay haneho hevitra an-kalalahana. Ny Kolektifa an’ny malagasy dia firaisankina, fiaraha-mitantana mitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny firenena ary misokatra amin’ny ankolafin-kery mitovy tanjona aminy. Tsy misy resy sy mandresy amin’ny politika fa mila mibanjina hatrany ny tanjona. Nandresy tamina fifaninanana fa tsy tamina ady i Andry Rajoelina, hoy hatrany izy ireo, satria tsy ho resiny mihitsy ny fahantrana eto Madagasikara, ny kolikoly eto Madagasikara, ny tsy fampanjakana ny tany tan-dalàna. Manipaka tanteraka izany voalaza rehetra izany tsinona ny ataon’ny fitondrana rehetra, hoy izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap