manoloana ny zotram-pifidianana tany Ambatofinandrahana. Nambarany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly fa betsaka ireo tetika maloto sy tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandidam-panjakana. « Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandida tohanan’ny Fanjakana ny fampiasana ny fitaovam-panjakana izay tena fahasahiana. Anisan’izany ny tany amin’ny kaominina izay be mpifidy indrindra. Nampiasa fiara takelaka mena, ary nizara vola », hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Naneho ny tenany fa nisy tetika nentina nanova ny bileta anaty vata mangarahara. Tsy fitaovam-panjakana ve, hoy izy, ireny angidimby nampiasaina, ary nambarany ihany koa fa ny fiaran’ny lehiben’ny distrika nitatitra elo miloko volomboasary. Mbola ho ela isika Malagasy raha izao no mitohy vao tena hahavita fifidianana tena an-kahalalahana araka ny safidim-bahoaka. Raha ny fironam-bokatra navoakan’ny CENI omaly takariva ho an’ny distrikan’Ambatofinandrahana, dia ny 134/147 amin’ny Birao fandatsaham-bato no efa nokirakirain’ny Vaomieram-pifidianana. Mitarika amin’ny salan’isa 55,46% amin’ny alalan’ny mpifidy 14713 ny Kandidam-panjakana Razafindrabary Richard, raha toa ka 44,54% amin’ny alalan’ny isam-bato 11817 kosa ny an’ny kandida Christine Razanamahasoa. Betsaka ny mitsikera fa tsy mitombina io, ary taorian’ny fahavitan’ny fifidianana dia efa nisy ny fihetsiketsehana tany Ambatofinandrahana ho fanehoana fa tsy mankasitraka ny mety ho teti-dratsy samihafa ara-pifidianana. Fahafaha-baraka ho an’ny fitondrana ny fahatafaverenan-dRtoa Christine Razanamahasoa izay efa naongana tamin’ny alalan’ny HCC ka atao izay fomba rehetra tsy hahalany azy, raha ny sary politika mitranga.
Toky R
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo