airtel

Politique

14-mai-2025

Ny fiainam-pirenena miha manahirana

Ny mpitondra sy mpanohitra miady hevitra amin’ny tsy misy dikany

Sample post image

Raha samy handany andro ihany hifamaly amin’ny hoe "Pelaka" na "Behozatse"

14-mai-2025

sy ny tahaka izany izao dia maromaro ny tranga mahaliana tato ho ato tokony horesahana maika eny anivon'ny antenimiera eny fa tsy lany andro hifanebaka amin'ny bika sy firehana ara-pananahana, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Velo Ghislain. Isan’ny mahaliana, hoy izy, izao hoe fa maninona marina moa ny tatitry ny governemanta no ahitana fa tsy ilaina tokoa ny fanitsiana ny lalàna momba ny fitantanambola voalohany? Manao ahoana tsara ny mikasika ny fikajiana ity vidina solika ity? Manao ahoana tokoa ny momba ny raharaha "Base Tuléar"? Manao ahoana tokoa ny momba ny raharaha "Colonel Patrick"? Mankaiza marina ny «orientation diplomatique» na fitodiky ny diplaomasia malagasy? Manao ahoana ny Jiro sy ny Rano? Manao ahoana ny fametrahana ireo rafitra voalaza ao anaty lalam-panorenana? Manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana, inona ny fepetra tokony ampiharina mba ampihenana ny fangirifiriana aterak’izany? Manao ahoana ny vidim-bokatra fanondrana no toa mitotongana foana sy ny sisa maro hafa? Efa ireo no feo sy fitarainan'ny vahoaka ka aza lany andro koa hoe andao ny feon'ny vahoaka no entina! Efa ireo sy ny maro hafa no mampikaikaika, hoy hatrany ny tenany! Ankoatran’izay moa dia mbola tsy fantatra hatramin’izao izany hoe ahoana marina no fanapahan-kevitra farany mikasika ny fakàna ireo nosy manodidina an’i Madagasikara na «Iles éparses»? Iza avy indray no alefa any Parisy amin’ny volana jona? Tsy mba hiady ve fara faha ratsiny hoe eto an-toerana no atao ny fifampidinihana fa dia hanaiky avy hatrany fotsiny ny fampanantsoina ataon’ny frantsay kanefa ianao no tompon’ireo vondro-nosy ireo, araka ny namaritan’ny firenena mikambana azy ny taona 1979? Ny fiainam-pirenena miha manahirana, araka izany, ny mpitondra sy mpanohitra miady hevitra amin’ny tsy misy dikany hatreto aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap