airtel

Politique

28-mai-2025

Ny nanonganana an-dRavalo no haverina

Hanome tany 60 000Ha ampiasain’ny Israelianina…

Sample post image

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

28-mai-2025

Nosoniavina ny talata 26 martsa teo tany Tel Aviv Israël ny fifanaraham-piaraha-miasa teo Fanjakana Malagasy sy ny LR Group avy any Israël. Nisolo tena ny Fanjakana Malagasy Ramatoa Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo Tahian’Ny Avo Razanamahefa. Tetikasa fananganana Agropole na ivon-toeram-pambolena indostrialy eo amin’ny 10 000 hekitara, araka ny seraseram-panjakana. Voafaritra ao anatin’io ny hampiasana tany 5 000 hektara ho an’ny famokarana vary sy 50 000 hekitara ho an’ny famokarana katsaka ny vinan’ity tetikasa ity. Hampiasaina amin’ireo ivon-toerana ireo ny teknolojia maoderina sy mahaleo tena: zanabolana, ilontsaina artifisialy (IA), angovo azo havaozina (masoandro), ary fitaovana famokarana faramparany, izay hampiakatra ny vokatra sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha, hoy hatrany ny tatitry ny Fanjakana. Ao anatin’ny Agropole dia hapetraka ihany koa ny toerana fitehirizam-bokatra, fitaovam-pamokarana, toeram-piompiana akoho, ary laboratoara ho an’ny fikarohana. Ho fanohanana ny famokarana, dia hampidirina ny masomboly safiotra ahafahana mamokatra hatramin’ny 50.000 taonina vary sy 20.000 taonina katsaka isan-taona. Lazaina fa tantsaha maherin’ny 10.000 isa avy amin’ny orinasa kaoperativa no hahazo tombontsoa mivantana amin’ity tetikasa ity, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola, fiofanana ara-teknika, ary fidirana amin’ny tsenan’ny vokatra. Hanampy amin’ny fametrahana lalam-barotra anatiny sy iraisam-pirenena ihany koa ny Agropole, hoy ny seraseram-panjakana. Ara-bola, mitentina 90 tapitrisa dolara amerikana ny famatsiam-bola hotanterahina amin’ity tetikasa ity. Ny faritra voakasika voalohany dia Analamanga, Alaotra-Mangoro, Bongolava, ary Vakinankaratra toerana manana fahafaha-mamokatra avo sy ahafahana manangana fotodrafitrasa manara-penitra. Nolazaina fa porofon’ny fahavononan’i Madagasikara hiditra amin’ny « Transformation Agricole » io, ary manamarika ny finiavan’ny fanjakana hanatratra ny fahaleovantena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny teknolojia, ny fampiasam-bola ary ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
AIZA ILAY HOE : FIVAROTAN-TANINDRAZANA ?
Asa haharitra firy taona izy ity ? Efa nandalo fankatoavan’ny parlemanta ? Dia inona àry no maha-samihafa an’ity amin’ny raharaha Daewoo Corporation izay nanonganana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 ? Nolazaina fa mivarotra tanindrazana rehefa nisy fifanarahana mitovy amin’izao tamin’ny orinasa Koreanina Daewoo Coorporation hamokarana katsaka sy palma kanefa izao manao tetikasa tahaka izany. Moa tsy tara 16 taona izany isika ka rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo fa rehefa ny volomboasary dia voromanga ? Ity indray izany lasa mivadika fanasoavana tanindrazana, ka ankoatra ny sinoa amin’ny bizina vary safiotra manodidina ny 600 miliara Ar isan-taona tsy misy fangaraharana dia io ihany koa ny Israelianina mety higalabona amin’ny tany tsy toko tsy forohana.
Toky R

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap