misy zanaky ny fiangonana kandida milatsaka ho fidiana kanefa entina eny amin’ny tambazotra serasera fa hoe mifanaratsy amin’ny endrika tsy mety , amin’ny endrika mamoafady satria miresaka fiainana manokana. Kristiana isika, hoy izy ka mila tandrovana ny fihavanana satria sambatra ny mampihavana fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra. Mila mampihavana raha azo atao mba hisian’ny fifamelana raha misy miady sanatria. Rehefa mijery tsara ilay Video aho, dia hita hoe kaonty fako aloha no mitatitra azy eny amin’ny tambazotra serasera, tena mila mifampitaiza isika satria tsy inoana, tsy heverina ho marina akory izay lazain’ireny kaonty fako ireny. Izaho dia mahalala tsara ny fianakaviana Ravalomanana ka tsy izy ireo mihitsy no hivarina amin’ny zavatra hafahafa hoe hanao an’izao na izatsy sanatria, hoy ny Pastera Roger. Etsy andaniny ihany koa i Tahina Razafinjoelina, izay zanaky ny fiangonana, manana andrakitra eo anivon’ny fiangonana, dia olona voataiza ara-pombam-pivavahana kristiana, izy sy ny fianakaviany. Ka tsy azo inoana, tsy marina mihitsy ny hoe izany olona izany no hanao fanaratsiana amina fiainana manokana,tsy marim-pototra, hoy izy. Tena resaka fandotoana eny amin’ny tambazotran-tserasera izany zavatra izany. Tsy mampino izany, izy dia azo tenenina azo hanarina , azo ahitsy ary olona nahita fianarana sy mandinika tsara. Tsy tokony hivarina any amin’ny resaka fifanaratsiana sy fandotoana isika, indrindra fa isika mpoanaraka ny kandida. Mila mahatsiaro isika fa zanaky ny fiangonana ireo ka tsy olombelona no nampihavana azy fa i Kristy.Mila tehirizintsika ny fihavanana. Nampitandrina ny rehetra mba ho mailo ny Paster Roger Randriamisata fa misy ny antsoina hoe : « la magie de la communication », azo ampitenenina ny sary, afaka manao « video montage » sy « photo montage ». Ka aoka isika handinika tsara sy hamantatra tsara ny zavatra misy fa tsy maika hanaratsy olona be fahatany. Mila mahay mamantatra koa isika hoe kaonty marina ve sa kaonty fako. Ny marina miseho masoandro, ny fako misitrika.
RTT
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,
Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,
Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,
Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.