airtel

Politique

14-févr-2024

Patrick Raharimanana

«Diso kajy hatrany am-boalohany ny C11»

Sample post image

Diso kajy hatrany am-boalohany ny C11, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena,

14-févr-2024

Patrick Raharimanana. Mbola hanohy izay ihany ve, hoy izy? Vao niainga ny fifidianana filoham-pirenena dia nilaza mazava aho fa lalana telo ihany no azo aleha. Fanongam-panjakana amin'ny alalan'ny basy sy tafika, izay nahakely finoana ahy ny ahavitana izany, no tsy neken'ny saiko ihany koa, satria tsy maintsy misy rà latsaka sy faty olona izay no voalohany. Faharoa, ny fidinana an-dalambe, izay hitarika fanonganana fanjakana ihany koa, izay nasiako fiahiahiana ny ahazakana vahoaka hidina an-dalambe ka ahaongana mpitondra izay efa fanonganam-panjakana hatrany no nahazoany fahefana ny 2009 sy 2018 ka izy efa eo amin'ny toerana ve dia hanaiky mora haongana? Fahatelo, ny fidirana amin'ny fifidianana, na andeha atao hoe fifaninanana izay tonga aloha ao anatin'ny fifidianana feno hosoka sy hala-bato. Ity fahatelo no lalana nirosoako, ekena ary samy mahalala fa ny fampiasam-bola tsy misy fetra no hividianan'ny mpitondra ireo mpikirakira fifidianana rehetra, tsy niafina akory aza izy ireo ary tsy nisy bedy raha nilaza fa izay manana karatra TGV ihany no mahazo jiro «solaire», mahazo fanampiana, eny, nisy nampanantena hatramin'ny 300.000 Ariary mihitsy, ka sady mitondra kara-pifidianana no mitondra kara-panondro. Filaharam-be hitam-poko, hitam-pirenena tetsy sy teroa naka izany fampanantenana izany. Ao ireo nahazo. Ao ny niverim-potsiny fa tsy nisy bedy. HCC, CENI, Lalam-pifidianana, Lisi-pifidianana, samy tsy manjary avokoa raha ny filazan'ny maro. Niroso tamin'ny fampiasana ny nomerika anefa izahay sy ny kandida laharana voalohany notohanako ka ny fanamby dia ny hamoaka vokam-pifidianana ao anatin'ny 48 ora. Hampiasana ny teknolojia, finday, aterineto sy ny tambazotran-tserasera. Azo natao tokoa ny nibata ny fandresena tamin'ny teo an-tanana, tsy niankina tamin'ny vahiny, izay tsy maintsy amarotana tanindrazana raha naka vola tany. Niforona moa ny «Collectif des candidats» taorian'ilay resaka nahavery ny fizakana zom-pirenena malagasy an'andriamatoa Andry Rajoelina rehefa nisafidy ny ho frantsay izy. Niova endrika ny tolona natao. Nipoitra indray ny ady mangatsiaka tsy nety lefy teo amin'i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Na dia maro aza ny fanelanelanana nataon'ny FFKM, PAN, fiaramonim-pirenena, ny Masoivoho vahiny, ny Tangalamena sy Loholona ary mpanao politika dia tsy nahitam-bokany izany ka izao nijoro izao ny fanjakana Rajoelina na dia 20%n'ny malagasy ihany aza no nifidy azy. Ankehitriny miroso amin'ny dingana manaraka indray izy, ny haka ny «majorité parlementaire» na ny maro an’isa eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, ny maro an'isa eo amin'ny ben'ny tanàna. Ho akarina 10.000.000 Ariary ny petra-bola ho an'izay ilatsaka Solombavambahoaka. Mikisaka izany izay tsy manam-bola na manan-kevitra sy mamim-bahoaka. Izay mahasahy manaraha! Izy no hiantoka ny lany ka dia manaiky izay tiany atao ireo miditra amin'izay. Etsy ankilany, ny «Collectif des candidats», dia tsy mitovy hevitra anaty, satria ao no milaza fa ilay HCC, CENI, lalàm-pifidianana, lisi-pifidianana nitabatabaina fa tsy izy ve no lasa izy sy ekena indray? Ao ny mitaky fa tsy maintsy izy no filoha sy filoha lefitry ny C11. Ao ny manambara fa tsy hamoaka vola fa sahirana fa izay efa mpiantoka ihany no miantoka. Vaky mitriatra, tsy mbola hita ety ivelany, ny sambo C11 nefa tsy mbola tody amoron-driaka akory. Raha mbola ny adin'i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ihany no manjaka eto, miaraka amin'ny ambadika, tsy miala aminay ny fahefana dia mahazo matory kely any aloha Didier Ratsiraka, izay mahalala tsara ny antony sy ny namono an'i Ratsimandrava. Esory eny Ambohijatovo avaratra ny tsangam-bato fahatsiarovana an'i Richard Ratsimandrava fa samy mahalala ireo mbola velona hoe taiza izy no novonoina ary rehefa izany ihany dia aleo eny amin'ny fasany eny Anjanahary no anaterana ny fehezam-bonikazony satria azo antoka fa ao izy ary mbola azo fongarina atao «autopisie» indray mandeha. Azo iverenana ny fitsarana sy ny fitadiavana ny marina nefa fery tsy ho zakan'ny fianakaviana izay ary hitondra aiza ihany koa izay fa dia ny lasa homba ny lasa? Samia tsara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap