no tokony hiadian-kevitra fa ny hoe inona no fiantraikan’ilay izy amin’ny toekarena sy fiarahamonina na ny ara-tsosialy misy azy ao amin’ilay toerana, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika, Ny Fireneko, Paul Rabary. Efa hitantsika, ohatra, tamin’izany, hoy izy, ny mikasika an’Ambatovy sy ny QMM ao Faradofay. Ny rafi-panjakàna eto Madagasikara no mahatonga ny olana satria «Etat unitaire centralisé» na fanjakàna ivangogoana fahefana. Ny aty Antananarivo no manapaka ny harena tokony ho trandrahana eto Madagasikara dia ampiakarina eto an-drenivohitra ny vokatry ny harena dia ny fanjakàna foibe no mizara azy. Rehefa tonga izay fotoana izay dia tsy mahita vokatra mivaingana ny mponina any an-toerana. Lasa marisarisa ilay mponina satria raha haka ohatra an’Ambatovy izay mitrandraka nikela izao dia tsy mipaka amin’ny faritra ny fampandrosoana entin’ilay fitrandrahana. Tsy adisoan’ny fitondràna izany na ilay faritra fa olana ara-drafitra. Tokony hipetraka izany, raha hitrandraka ny Base Toliara isika, ny atao hoe «régionalisation» na fahaleovantenam-paritra na «province autonome» na ny faratampony dia ny rafitra federaly. Ny ben’ny tanàna ao an-toerana no tokony hitantana ilay izy. Avy eo vao hangatahana ny ampahany ho an’ny fanjakàna foibe. Ny resaka kolontsaina sy fomban-drazana mbola manginy fotsiny. Tena tokony ho trandrahana io satria harena foin’Andriamanitra ho antsika io fa rafitra tahaka izao ve no hahafahana mitrandraka ny harena eto? Na risitorina ao amin’ny kaominina aza mbola fenjain’ny rafitra foibe amin’ny resaka fitsinjaràm-pahefana. Tompony mangataka atiny no dikan’izay ny tena tompon’ilay harena. Toliara no tokony hisitraka ny harena ao voalohany. Toy izay koa i Toamasina na Faradofay fa tsy Antananarivo. Lasa japian’ny mpanao politika fotsiny ilay fandresen-dahatra satria efa hita ny zava-nisy teo aloha. Rehefa hitrandraka harena an-kibon’ny tany tsy maintsy voaresaka foana ankoatran’ny voalaza hafa teo ny resaka fahasalamana sy ara-tontolo iainana. Tsy afaka hitrandraka mihitsy isika raha atao sakana foana izany dia tonga amin’ny hoe matory ambony volamena na matory ambony harena. Tsotra ny vahaolana dia ny hoe inona no fepetra raisina mifanaraka amin’ny zava-misy? Ny fanontaniana fototra dia hoe maninona ny faritra misy harena no tsy mandroso? Izay no anton’ny sosokevitry ny antoko Ny Fireneko hoe apetraho ny rafitra mety amin’ity firenena ity! Raha tsy izany dia lalaovin’ny olona isika. Ny depiote nanohitra an’ilay tetikasa tamin’ny fotoan’androny lasa manohana an’ilay izy ary ny depiote nanohana azy tamin’izany lasa manohitra azy, hoy hatrany ny tenany, nefa i Toliara dia tokony ho faritra lasa matanjaka indrindra.
J. Mirija
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy