Tena miha mafy ny olana ara-tsosialy, iza no tsy mimenomenona , eny fa na dia ireo olona heverina fa mpomba izao fitondrana izao aza. Tsy taka-bidy ny ankamaroan’ireo entana eny an-tsena sy any anaty magazay.Ho avy io izao ny fetin’ny reny ny 25 mey, tena ankavitsiana ireo hoe afaka nanomana tetibola hividianana fanomezana ho an’i Neny.
MANGINA, MILAMINA
Mahagaga anefa fa toa mangiana be ireto ambara fa hoe tsy faly na manohitra ny fomba fitantanan’ilay fitondrana. Misy ihany ireo mpanao politika miezaka maneho hevitra etsy sy eroa saingy ireo tsy dia maharesy lahatra firy ny olona no manao mateti-piavy. Ny tena sokajiana fa mpanao politika matanjaka dia tsy andrenesam-peo firy, ary tamin’ity herinandro ity izao dia tazana nanatrika fivoriana am-pitoniana sy am-pilaminana any Paris ny filoha teo aloha isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina. Heverin’ny maro fa olona manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena sy manana ny ambarany amin’ny tontolo politika izy ireo kanefa dia any anatina fivoriana ho an’i Afrika atsimo sy Frantsa no ahitana an-dry zareo aloha. Vita ny fivoriana dia mbola any andafy ihany izy mirahalahy fa tsy hoe nitodi-doha nody akory. Ao anatin’izany no manao izay fara heriny ampanekena ny olona ilay tetikasa Base Toliara ny fitondram-panjakana ary dia nanao be midina tany Toliara.
HAFAHAFA
Niteny ihany izy teo aloha teo fa avy eo toa tsy nikotabaka be intsony mitaha ny teo aloha, na ekena aza fa manao vely kanota amin’ny tambajotran-tserasera sy haino aman-jery. Tsy iza moa izany fa ny filoha lefitra antenimierampirenena avy amin’ny mpanohitra dia ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko. Izy izay tena nijoro an-taonany maro nanohitra tamin’ny heriny iray manontolo ny fitrandrahana fasimainty kasain’ny Toliara Sands nivadika ho Base Toliara atao. Ireo vahoaka any an-toerana sisa no re milaza ny heviny sy manao fanambarana hoe tsy ekena, tsy ekena…saingy efa ny filoham-pirenena izao no nilaza fa hitondra soa ho an’ny faritra sy ny firenena io ka atao ny resaka ahafahana miroso. Hatao ny tetikasa no na inon-kidona na inon-ketranga no dikan’izany ! Ny fahatapahan’ny rano sy ny jiro amin’izany efa tena maharesy ny nisy rehetra hatramin’izay, dia miady irery ny vahoaka mitady ho samy hanao izay saim-pantany. Hafahafa ihany ilay zava-misy ho an’ny mpanaraka ny politika satria ao anatin’ny fotoana tokony tena hampangotraka ny hetsika sy fanehoan-kevitra no mangiana ireo mpisehatra. Miova paikady ?
RTT
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,