airtel

Politique

09-avril-2024

PR JOSEPH

Manentana sy miantso ny vahoaka mba hifidy

Sample post image

Vita ary nifarana omaly Alatsinainy 8 Aprily 2024 ny fanateran ' ireo kandida ny antontan - taratasiny

09-avril-2024

izay hirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka. Heverina araka izany, fa kihon - dalana iray lehibe ho fanavotana an ' i Madagasikara sy ny fiainam - bahoaka izay tena efa latsaka anaty kizo io fifidianana solombavambahoaka izay hotontosaina eto Madagasikara amin’ny 29 May ho avy izao io. Manentana ary manao antso avo amitsika vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana aho, handeha isika hifidy, fa miankina be dia be ny amin 'ny fahavitriantsika hifidy no tena zava - dehibe hahatafavoahana amin ' izao fahoriana lalina sy kizo mahazo an ' i Madagasikara izao.Tongava mifidy fa fifidianana tena manakaiky vahoaka io fifidianana io. Niaraha - nahalala fa nanjaka ary nahazo laka teto ny fahalovana noho ny kolikoly sy ny fanjakan 'ny tsy fahamarinana, ary izay nijoro tamin 'ny fahamarinana dia niharan 'ny antsojay ary nihafara tamin 'ny fandroahana mihitsy na Malagasy na vahiny noho ny fitiavan - tena sy ny fikatsahana tombotsoa manokana, koa anjaratsika vahoaka Malagasy no mandinika tsara izay olona tokony hofidiantsika mba hialana amin ' izany fanjakan 'ny haizina sy ny tsy fahamarinana ary ny fahalovana hoy ny Pr Joseph. Aoka koa isika hahay hifidy izay tena olon 'ny fahamarinana sy tena tia Tanindrazana ho fanavotana antsika vahoaka Malagasy sy ity Madagasikara hiombonantsika ity, fa hoy ny tenin 'Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin 'ny (Marka, 13 ; 20)manao hoe : Ary raha tsy nohafohezin 'i Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena ; fa noho ny olom - boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph !

 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap
04-juin-2025

Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,

Card image cap
03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap