Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny tenany omaly indrindra fa ho an’ireo kandida tsikaritra ho efa manao arosazy sahady nefa mbola tsy nivoaka akory ny vokatra ofisialy. Tsy mety hoy izy ny mifaly amin 'ny tsy fahamarinana, fa miara -mifaly amin 'ny fahamarinana kosa, araka ny tenin’i Tompo ao amin’ny Korintianina I, 13:6. Miantso ny CENI sy ny HCC mba hanaja ny fahamarinana araka izany Pr Joseph. Tsara raha hatao aloha ny fampitahana, izay vao mamoaka ny voka- pifidianana vonjimaika mba hisorohana ny ady sy korontana eto Madagasikara hoy hatrany izy. Aoka isika mba hianatra ny nataon 'ny tao Afrika Atsimo, izay niaraka nanao fifidianana andro iray tamintsika, ka ny antoko mpanohitra no nahazo ny maro an’isa, kanefa dia nilamina tsara, ary efa mizotra amin 'ny fifampidinihana ny hampandrosoana an ' i Afrika Atsimo ry zareo any ankehitriny.
Nangonin’i Pati
Legende : Pr Joseph matahotra ny mety ho famaizan’Andriamanitra ny firenena manoloana ny tsy fanajana ny fahamarinana !
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo