Ben’ny tanana hotanterahina eto amintsika ny 11 Desambra ho avy izao ireo kandida. Ho an-dRado Ramparaoelina manokana izay kandida mpifaninana ao amin’ny Kaominina Ampitatafika dia nambarany fa tena nasarotinabe ny fikarakarana ny taratasy. Raha hetra 1 taona ihany hoy izy no nalaina tamin’ireo Kandida solombavambahoaka farany teo dia lasa 3 taona izao no alaina amin’ny Kandida Ben’ny tanana. Manampy trotraka izany hoy hatrany ity Kandida ity ny fitakiana certficat de nationalite. Tsy mifampatoky ve ny mpitondra hoy izy ary iza no mamokatra ny karapanondro tsy ny ministeran’ny Ati-tany ve ? Ho an’ireo mpanolontsaina miaraka aminy izao dia nambarany fa anio Alatsinainy 16 Septambra hariva vao azo ny certificat de nationalite Malagasy nefa ny karapanondrom-pirenena eny an-tanana efa Malagasy. Mety hanontaniana ny kandida koa angamba atsy ho atsy ny hoe : lahy sa vavy ilay olona hifaninana hoy hatrany ity Kandida ity na dia efa fantatra aza izany. Miombon-kevitra amin’ireo mangataka ny hanalavana ny fe-potoana hikarakarana ny dosie hilatsakan-kofidiana ho Ben’ny tanana araka izany ity Kandida iray ity mba hahafahan’ny olona mifaninana.
Pati
Legende : Rado Ramparoelina, mbola Kandida Ben’ny tanana ao anatin’ny Kaominina Ampitatafika !
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy