Mampifoha sy mampahatsiahy toe-draharaha samihafa indray ny raharaha Jeneraly Ravalomanana Richard sy ireo hafa mety mbola handalo Fitsarana? Tao anatin’ny toe-draharaha ara-politika no nisian’ny habibiana nahavoarohirony azy, ary tsy ny Jeneraly Ravalomanana Richard irery mazava ho azy no tafiditra ao anatin’io afera io, fa lohalaharana i Andry Rajoelina izay Filoha tamin’izany. Heverina fa mafy noho ny an’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha ny fanamelohana an’i Andry Rajoelina izay tsy tafiditra tao anatin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena ny fiampangana. Asa hanao ahoana anefa ny mikasika itony didy itony aoriana rehefa misy fiovana ara-pitantanana sy ara-politika? Raha ny tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina, tsy nisy afa-bela ireo lasibatra toa an-dry Mbola Rajaonah, Rolly Mercia,… izay nitovana hatrany ny fandetehana. Tsy mamoha fotamandry sanatria fa Itompokovavy Ninie Doniah aza tsy namelana raha tsy tapitra ny ainy, kanefa tsy hita hoe : inona ny heloka nataony ? Ankehitriny, roritina any amin’ny hoe : fanamelohana politika, fanagadrana politika.
MITOVY NY TAORIAN’NY 2009 VE NY TAORIAN’NY 20218 SY 2025 ?
Raha hampahatsiahy tantara mantsy, nohelohina sazy henjana asa an-terivozona mandra-pahafaty ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny 2010 taorian’ny nionganany sy naha sesitany politika azy. Nampangaina ho nanao fampiasana hery tafahoatra sy famonoana olona nandritra ny nandritra ny raharaha 2009, izay nisian’ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Tamin’ny oktobra 2014, niezaka niverina teto Madagasikara izy dia nogadraina, saingy navotsotra ny fiandohan’ny taona 2015, rehefa nandeha ny dinika politika. Niverina tamin’ny sehatra politika sy ny fandraharahana, ary nisitraka ny zo politika sy zo sivily. Minisitry ny Fitsarana tamin’izany Rtoa Christine Razanamahasoa, izay niampanga sy naneho fahadisoam-panantenany tamin’ny Fitondrana Rajoelina taty aoriana, ary anatin’ny Fanavaozana ankehitriny. Sary iray hafa, ny Minisitry ny Fitsarana ankehitriny Rtoa Fanirisoa Ernaivo, dia nohelohin’ny Fanjakana Rajoelina, dia noroahina tsy ho mpitsara, nohelohina noho ilay fanehoan-kevitra mikasika fitsaram-bahoaka nahafaty mpitandro filaminana tany Fenoarivo Atsinanana. namoahana didy fampisamborana, nangatahana fiaraha-miasa tamin’ny Fitsarana Frantsay mba hatolotra hosaziana aty Madagasikara, saingy tsy nahomby. Tonga ny 2025, niongana i Andry Rajoelina sy ny ekipany izay nanameloka azy, dia tafaverina soa aman-tsara teto Madagasikara, nisitraka ny zo sivily sy politika, lasa minisitry ny Fitsarana, tafaverina ho mpitsara ary nonerena ny tombotsoa sy zo maha mpitsara,… Ny toy izany no andrandrain’ny volomboasary na ireo migadra na ireo nitsoaka any ivelany mieritreritra ny hiverina milamina sy tsy misy arakaraka any aoriana. Tokony hiavaka sy havahana tsara eto amintsika araka izany ny hoe mpanao politika nohelohina sy nogadraina noho ny antony ara-politika sy ny mpanao politika voaheloka noho ny heloka, ka hiavahan’ny « gadra politika », « fanamelohana politika », « mpanao politika migadra » mba tsy ho lasa kitapo iray sy ialokalofan’ireo nanao ny tsy mety teto.
Toky R