Voizina mafy ankehitriny ny fitakiana famoahana ireo ambara ho gadra politika eto amin’ny firenena. Tsy miafina amin’ireo mpanara-baovao, indrindra, vaovao politika, ireo tena miezaka mivoy izany fa ny mpiaradia amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, na koa hoe ny ekipany. Ny praiminisitra moa efa nanome valinteny tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana hoe angaha misy gadra politika eto? Raha ny fanazavàna teo anivon’ny fitondràm-panjakàna dia tsy misy izay gadra politika izay eto amin’ny firenena fa gadra na voahenjika ara-pitsaràna noho ny fananàn’izy ireo dosie maloto kosa. Ankilany, miezaka manamafy hatrany anefa ireo mpiaradia amin’ny fitondràna teo aloha, izay sokajian’ny mpanohana ny fitondràna ankehitriny amin’ny fiantsoana hoe «forongony», fa tena nogadraina noho ny antony ara-politika avokoa ireo mpiaradia amin’izy ireo nadoboka am-ponja amin’izao fotoana izao. Ambaran’izy ireo ihany koa fa isan’ny takian’ny mpamatsy vola iraisampirenena hahatomombana ny fifanarahana politika ho atao eto amin’ny firenena izay famoahana ireo lazaina fa gadra politika izay. Tsy azo odian-tsy hita ao anatin’izany rehetra izany ny tsikeran’ireo tanora nambara ho nitolona na «Gen Z» sy ny toy izany, na koa vondrona sy antoko politika samihafa milaza ho nitolona sy nanohana hatrany ny fanovàna na fanavaozana, fa mbola betsaka an’izay lazain’izy ireo ho «forongony» izay ao anaty fitondràna ao. Mpiaradia tamin’ny filoham-pirenena teo aloha ireo ary ahiana ho tsy manohana na miaradia amin’ny fitondràna ankehitriny akory fa miasa mafy araka ny tokony ho izy mba hiverenan’ny fitondràna teo aloha indray, raha ny fanazavàn’ireto milaza azy ho mpanohana ny fanavaozana ireto hatrany. Mandeha moa ankehitriny ny heverina ho dingana na zotra arahina amin’ilay fikaonandoham-pirenena ka dia ho hita eo ny fivoarany satria isan’ny heverin’ny volomboasary ho hirika ny hoe dinika iarahan’ny rehetra mandray anjara, fiaraha-mitantana,… hany ka na ireo lasa nanao sesitany politika aza miandrandra mafy ireo vondrona iraisam-pirenena hanao tsindry ny hahafahan’izy ireo miverina.
J. Mirija