taon’ny Fikambanana COI, dia niavaka sy mendrika tokoa ny fandraisana nataon’i Madagasikara. Anisan’ny zava-dehibe nodinihina ny olan’ny jiro sy rano, izay mampikaika ny vahoaka Malagasy. Mitohy ny resaka ambony latabatra ka nilazany fa ny sehatry ny fambolena no nasongadina ho fototra hampandrosoana an’i Madagasikara. 2 tapitrisa ha no efa voavoly amin’izao fotoana, ary mbola misy 36 tapitrisa ha azo ambolena. Tsy ny vary ihany no tokony hifantohana, fa amin’ny fambolena ankapobeny. Eo ihany koa ny fametrahana ozinina fanaovana zezika sy fitaovana famokarana. Nifanekena fa hotohanan’ny firenen-dehibe sy mpiara-miombon’antoka amin’izany i Madagasikara, hoy i Andry Rajoelina nanamafy fa hatao sompitra i Madagasikara, raha nolazainy 4 na 5 taona lasa fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra, ny artemesia no mampidi-bola kokoa noho ny vary,… Momba ny fitsidihan’i Emmanuel Macron, nambara fa nahitana fifanarahana maro, toy ny fidiran’ny orinasa Frantsay EDF amin’ny tetikasa Volobe hamokarana herinaratra. Dia namafisina indray ny fampanantenana miverimberina mikasika ny angovo, fa tsy hiandry ho vita ny tohodrano vao hiroso amin’ny asa, fa hatramin’ny faran’ity taona ity dia hametraka « parcs solaires » 120MW ny fanjakana. Efa miverimberina foana io ! Nisy fifanarahana famatsiam-bola 300 tapitrisa euros mikasika ny fanabeazana, ny fambolena, ny famokarana sy ny sosialy. Nambara fa nanaiky hanampy amin’ny fanavaozana tanteraka ny lalamby ny filoha Frantsay, amin’ny alalan’ny teknisianina sy fitaovana vaovao. Hatramin’ny taona 1913 no tsy nisy fanavaozana, kanefa 80% amin’ny entana dia mandalo RN2. Momba ny fahasalamana, maro tamin’ireo profesora mpandidy no tsy mbola voasolo. Nolazaina fa tsy tahaka ny tamin’ny taona 80 sy 90 fa efa vitsy sisa ny profesora mahay eto Madagasikara. Nisy fifanekena vaovao hiarahana amin’i Frantsa momba ny fiofanana, fananganana oniversite sy fifanakalozana amin’ny sehatry ny fitsaboana. Noresahana tamin’i Macron ny famafana na fampihenana ny trosa 259 tapitrisa euros ananan’i Frantsa amin’i Madagasikara. Momba ny resaka Iles Eparses, ka nilazan’i Andry Rajoelina, fa efa notakiana hatramin’ny taona 1970. Mbola tsy misy fiovana 55 taona aty aoriana. Nohamafisin-dRajoelina fa raha tsy azo amin’ny fomba diplaomatika dia tsy tafika no vahaolana fa fifampidinihana iraisam-pirenena. Toa mahatsikaiky aza ny nilazany hoe : hojereko ny fomba handehanako ho any amin'ny iles éparses. Tsy voaresaka intsony ilay hoe takiana averina manontolo amin'i Madagasikara ireo nosy manodidina. Eo amin’ny lafiny toekarena, nambara fa hatsaraina ny tontolon’ny fandraharahana mba hahazoan’ny vahiny miasa eto. Raha 1,2 miliara dolara ny IDE talohan’ny 2009, dia nihena ho 415 tapitrisa dolara tamin’ny 2024. Fitanisana tetikasa sy vina mandavan-taona no hita sy re, fa ny vahoaka miha fadiranovana hatrany ! Mbola misy azo antenaina amin’ny Fitondrana Rajoelina ve ?
Toky R
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo