airtel

Politique

13-mai-2025

Randrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis

«Hamaivanina ny tekinisianina sy manam-pahaizana eto»

Sample post image

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

13-mai-2025

Mety amin’ny fomba ara-dalàna no akàna izany, hoy ny filohan’izy ireo, Randrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis, na amin’ny alalan’ny tolom-bahoaka. Sarotra, noho izany, hoy izy, ny hitsara hoe haninona fotsiny ireo antoko politika miisa 300 mahery eto Madagasikara? Tsy maintsy manana vina izany maniry haka fahefàna izany. Hanontanian’ny minisiteran’ny atitany mihitsy izany. Any an-dafy, tahaka ny any Frantsa, izao misy firehana hoe ankavia na ankavanana ary hery afovoany. Ny ankavanana mirona amin’ny kapitalista. Ny ankavia sosialista. Samy manana ny maha izy azy ireo. Ny amerikanina kapitalista, misy ny hoe demokraty sy repoblikanina. Ny sinoa kaominista amin’ny lafiny politika. Eo amin’ny lafiny fihariana kosa izy liberaly. Ahoana izany no hizaràna ireo 300 eto? Ny an’ny Fanare efa mazava hoe mivoy ny rafitra andriamanjaka. Izay ilay hoe «monarque éclairer», tahaka ny hoe Andrianampoinimerina raha nanao fefiloha dia nanajary an’i Betsimitatatra. Azy ny tany fa ny vahoaka nanofa. Amin’izao fotoana kosa isika mahita hoe amidy amin’ny vahiny ny tany. Tsy afaka mihary ilay vahoaka satria tsy tompon’ny tany. Izay no maha resy lahatra amin’ilay hoe famerenana ny rafitra andriamanjaka. Ny asa tana-maro dia tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Ny vahoaka afaka miasa amin’ny tany fa ny andriana miantoka hena. Tsy misy vahoaka soavaly nianto-bilina izany. Frantsay daholo no ankamaroan’ny mpanolontsain’ny filoha Tsiranana nanomboka ny taona 1958. Izay no nahatonga ny hoe «accord de coopération» ny taona 1972 hoe andao isika hifanaraka amin’ny frantsay. Ambara foana hoe tamin’ny dadabe Tsiranana tsy nisy noana mihitsy fa voky foana ny olona. Ny mahagaga tokoa dia rehefa vazaha no mibaiko dia toa manaraka daholo ny olona fa ny ankehitriny koa anefa dia tsy hita hoe inona no fiantraikan’ny vinan’ny fitondràna ankehitriny amin’ny vahoaka? Maninona moa no namidy amin’ny arabo ny 100.000ha ao Bas Mangoky? Maninona ny tantsaha eto no tsy ampirisihana hamokatra? Manafatra vary indray no ataontsika. Mba miantraika amin’ny vahoaka ve izany vokatry ny fiharian-karena na PIB eto izany? Ny karàna indray eto no mahazo ny tsenan’ny solika nefa tsy manana solika. Isaorako ianareo ao amin’ny gazety Tia tanindrazana namoaka ny resako momba ny orinasa indonezianina Petromine. Havantsika ireo, maninona isika no tsy miaraka amin’ireo? Niteny ny Pasitera Andriamanjato Richard ny taona 1972 hoe ho to anie ny fahafahana! Rehefa nanangana ny AKFM Fanavaozana izy avy eo dia niteny hoe ho to anie ny fanavaozana! Tonga teto nefa iny ny filoha Macron dia nanao fifanarahana vaovao tamin’ny fitondràna indray. Ny «accord de coopération» tamin’izany no mbola fohazina. Hamaivanina ny tekinisianina sy manam-pahaizana eto. Ny tekinika nefa no tena mitondra ny fandrosoana. Tekinika daholo na io finday ampiasainao io, io informatika io hatramin’ny famotsiana nify. Tokony atao laharam-pahamehana ny fampianarana tekinika tahaka itony ataon-dry Tahina Razafinjoelina sy ny oniversiteny dia ny ITU itony, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap