Manana kolontsaina repoblikanina ny malagasy, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Randy Donny, fa novetavetain'ny fanjanahana sy ny fahantrana izany ka tsy voampita ilay ilo. Novetavetain'ny fanjanahana ny repoblika. Ny mpitondra tsy mahay mizara "jaka" araka ny rariny sy ny hintsiny, hoy izy. Ny jaka no nahatonga ny hoe "Fan-jaka-na". Naongan'ny vahoaka ny mpitondra tsy nahay nizara izany. Nofon-kena mitam-pihavanana, mampifamatotra ny rehetra, mitsinjo ny soa iombonana. Moa va tsy izay no dikan'ny teny grika hoe "Res Publica"? Tsy hoe teraka tao amin'ny "Lycée Gallieni Andohalo" na Libertalia tamin'ny 14 oktobra 1958 ny repoblika malagasy fa teraka tany Atsimo antsinanan'ny nosy. Norombasana an-tanan'ny mpanandevo frantsay izany ny taona 1947. Tsy inona io fa ny "Repoblikan'i Namorona". Nathanaël Dradroa no nitarika izany. Toy ny niniana nadinoina izany anarana izany nefa mendrika ny hisolo anarana sasany anatin'ireo boky mirakitra ny tantaran'ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija