airtel

Politique

28-sept-2026

Razafindrandriatsimaniry Marie

Dieudonné Michel

Sample post image

Samia mijoro hanafoanana ny politika bizina

28-sept-2026

Taorian'ny fakan-kevitra momba ny fifidianana teny Iavoloha, nitondran'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena ny heviny iny dia nizara ny heviny mba hamerenana ny lanja sy ny hasina ny fanaovana politika eto Madagasikara ny antoko politika Fitambolagnela IAD tarihin'i Pr Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel. Nofintininy amin'ny teny mahitsy izany dia ny hoe : "Samia mijoro hanafoanana ny politika bizina !" Atomboka amin'ny fanabeazana ny Vahoaka ho tonga hifidy marobe sy hahay hifidy ary ho tonga saina, izany, hoy izy mba handresena ny foto-bola izany hoe : hanafoanana ny safidy vidiana vola, T-shirt, kasikety, fanomezana isan-karazany , … Beazina koa ny Vahoaka mpifidy mba handresy ny foto-pahefana, dia ilay safidy teren’ny manampahefana. Rehefa ampy fanabeazana politika ny Vahoaka mpifidy, hoy i Pr Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel dia tsy ho sarotra ny hanafoanana ny kandidà tsy miankina tsy manana vinam-piarahamonina fa mandray anjara amin'ny fifidianana hanaovana fitaovana fihariana hisitrahana ny « Immunités », ho amin’ny fitiavan-tena. Aoka "mba ny foto-kevitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana amin'izay no hitondràna ny safidy", hoy ny filohan'ny antoko Fitambolagnela IAD ity "mba ho safidy tompon'andraikitra hitondràna fampandrosoana maharitra eto amin'ny firenena".
Jean D.
Pr Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel

 

Dans la même rubrique

28-sept-2026

ny politika fa fanana vina mazava tsara"

Card image cap
28-sept-2026

Misy manahy sy matahotra antsojay politika

Card image cap
28-sept-2026

misakana ny fandrosoana eto Madagasikara"

Card image cap
24-sept-2026

tsy mahatarika vahoaka ireo te hanala !

Card image cap