airtel

Politique

27-nov-2024

Resaka mamoafady sy fihantsiana politika

Mandeha ny fitsirihana, nampitandrina ny Prefen’Antananarivo

Sample post image

Amin’ny ankampobeny, dia efa manomboka miha mafanafana satria miha manantona ilay andro hanaovana fifidianana. Marina fa ao anatin’ny dampielezan-kevitra isika,

27-nov-2024

fa tsy midika fa baranahiny sy manao izay tiany hatao fa misy ihany ny fepetra izay tsy maintsy raisina », hoy Prefen’Antananarivo Jenertaly Angelo Ravelonarivo omaly. Notsiahivina tsy azo atao ny fifampihantsiana, ny mifanompanompa, ny mifampikasi-tànana,… fa atao ao anatin’ny fihavanana Malagasy. Notsipihiny fa tsy azo hamaivanina fa tsy maintsy jerena sy ampitahaina amin’ny zava-misy ny fanehoan-kevitra amin’ny facebook. Efa nahetsika ireo « Agents de renseignement » mitsirika an’ireny, ka tsy maintsy hisy ny fitsirihana sy fampitahana an’ireny. Tsy maintsy hisy ny fanokafana fanadihadiana hoe : inona no nahatonga an’ilay zavatra, ary iza no nanao fahadisoana, ka amin’ny alalan’izay ny mampahafantatra ny CENI satria tsy manam-pahefana hanasazy ny CENI, ka ny manam-pahefana mahefa no mandinika ny hanasaziana ny kandida heverina fa nandika lalàna. Isan’ny efa nanao antso avo ny CIRGN Antananarivo izay naneho fa foto-kevitra no hampiadiana fa tsy olona. Tsikaritra ary miharihary ny endrika fandotoana sy fanosoram-potaka raha ho an’ny eto Antananarivo manokana. Isan’ny henjehina mafy ny kandida Tahina Razafinjoelina, ohatra, rehefa nijoro nitondra fanazavana taorian’ny fanenjana azy ho mpamadika sy devoly rehefa nisafidy làlan-kafa fa tsy niara-dia tamin’ny antoko notohanany teo aloha. Mandeha ny famoronana fanasoketana samihafa entina hanosoram-potaka sy hankahalana ity farany, toy ny famoronana « compte fake » ka ilazana fa ity kandida no niteny an’izao sy izatsy mikasika ny kandida ranona ranona,… Tsy misy porofo fa dia fanaratsiana fahatany ! Tahaka izany ihany koa ny fiarahana mirohotra any amin’ny kaonty na pejin’io kandida io rehefa misy zavatra avoakoany, dia mifarombaka manaratsy sy manompa mivantana na ankolaka eo. Lalaovina amin’ny politika ny olona, lalaovina ny fihetseham-pony dia misy tokoa ny mihinana am-bolony ary ao ny minia mikipy fa baikoan’ny fankahalana. Eny fa na ireo heverina ho mpitarika politika sasany tokony hanana saina mandinika sy mijery lavitra aza dia tafaroboka na minia miroboka ao anatin’io noho ny fankahalana olona be fahatany. Tsy miaro an’iza na iza raha mitanisa an’ireny ary zavatra iaraha-mahita, ka ny irariana dia handeha tokoa ny fanadihadiana sy ny fanenjehana araka ny lalàna satria azo arahana amin’ny alalan’ny teknolojia rahateo ny Adiresy IP (Internet Protocole) an’ireny olona amporisihina sy ampiasaina handoto sy hanimbazimba na hampiady kandida ireny ka tena hisy tokoa ny fanenjehana ! Tena misy mantsy eto ny «campagne de diabolisation » na « campagne de dénigrement » hoentina manaratsy sy mandoto ary mampiady ara-politika. Ny tambajotran-tserasera izay, fa na ny kabary politika aza dia misy ny tena mitratrevatreva sy midingin-drambo manaratsy tsy misy porofo, mivoy fankahalana ara-poko sy fiaviana ka sahy milaza ny azy ireo no tena zanak’Antananarivo fa ny hafa misandoka. Tena lasa arefarefa ilay politika, ka mila fanovana sy rivo-baovao !
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap