Krizy politika no lojikan’ny misy eto Madagasikara amin’izao ka dinika politika no hitondra vahaolana anatin’izany, hoy ny mpandinika ny fiainam-pirenena eo anivon’ny JPRM na «Jeune patriote républicain de Madagascar», izany hoe, Tanora tia tanindrazana repoblikanina, Rivellino Ravelomahazo. Tsara, hoy izy, ny mifampiresaka fa mifampiresaka ho aiza dia hanao inona? Tokony banjinina foana tsinona ny fampandrosoana an’i Madagasikara na inona tsy fifanarahana politika misy. Na inona koa fifanarahana politika hisy. Efa dingana lehibe ny mifampihaino sy miresaka. Raha jerena nefa ny tantaram-pirenena dia nisy dinika politika foana taorianana krizy maro. Teo ny taorian’ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018, 2025 indray izao. Tsy maintsy nisy foana ny fifampidinihana fa nitondra an’i Madagasikara taiza? 32 taona isika nifanonganongana sy naka fahefàna tamin’ny endriny maro samihafa. Ampy izay ny fitiavan-tseza fa ny fandraisana andraikitra no tokony apetraka dia ny hoe tena dinika ho any amin’ny fampandrosoana marina. Iza no firenena hiara-hiasa marina amin’i Madagasikara? Inona no drafitra ara-toekarena ho arahiny? Ahoana ny drafitra ara-tsosialy? Ahoana no handaminana ny tsena anatiny? Eo ny fanondranana. Izany rehetra izany dia inoana fa dinika lehibe sy fanontaniana lehibe tokony hipetraka eo amin’ny tany ama-monina amin’izao krizy lalovan’ny firenena malagasy izao. Ohatrany tenenina foana koa ny hoe 2027 isika hanao fitsapàn-kevi-bahoaka. Ohatran’ny takonana amin’ny resaka fanjakàna federaly sy tokana ilay izy fa fanomezana hasina sy lanja ara-dalàna ny fitondràna tetezamita izany. Resa-be ny ankoatran’izay. Hitondra ho aiza nefa raha izay no atao? Ny lalàna natsangàn’izay nitondra teo hatrany no nanongana azy raha mahatadidy isika. Tsy vahaolana io izany fa ny tena olana mipetraka eto Madagasikara dia ilay fifidianana an-kandasitra, saritsariny, tsy tena izy. Misy olona voageja dia misy omena vahana. Ny fitondràna napetraka tokony hitazona tsy fitanilàna izany no lasa mitanila satria manohana kandidà manokana. Lasa mety miteraka fanodinkodinana voka-pifidianana izany, lasa mety misy kandidàm-panjakàna. Ny olana eto Madagasikara dia ny fifidianana filoham-pirenena hatramin’ny repoblika voalohany. Tany no efa nisy ny fifidianana an-kandasitra dia io lasa mandova fifanonganonganana io isika. Raha misokatra hamaha olana amin’ny fidirana amin’ny fifidianana filoham-pirenena isika dia tokony fifidianana handraisan’ny rehetra, fa tsy hoe izay fariparitana ho rehetra, anjara aloha. Tsy misy teritery. Izay no atao hoe demokrasia. Fifidianana mangarahara ahitàna CENI ahitàna ny hery rehetra ao anatiny. Ny fandrafetana lalàm-pifidianana eken’ny rehetra mba hahafahana mahazo voka-pifidianana eken’ny rehetra ihany koa avy eo. Izay no miteraka ny atao hoe fitoniana politika eto Madagasikara. Ny fifidianana sarintsariny dia mbola vao mainka hiteraka olana raha mitohy ary efa nohamarinin’ny tantara izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija