ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny RMDM, fa tena diso fanantenana amin’izao fitondrana izao ny Malagasy. Samy nentanim-po ny rehetra hoe : nahazo mpitondra tanora, nahazo olona hitondra avo ny Firenena,… Amin’ny maha olombelona dia tia zava-baovao na dia efa fantatra ihany ny zavatra nataony taona vitsivitsy talohan’izany, indraindray isika mora manadino, takon’ilay laingalainga samihafa, hoy i Rivo Rakotovao. Tsy mifandatsa anefa, hoy izy, fa ny ho avy no jerena, firenena iray isika, ary mahatsapa fa any amin’ny làlana tsy izy no hizoran’ny Firenena. Tsy resaka fankahalana olona, fa betsaka ny tondro maneho izany, ka nilazany fa ny fitondrana ankehitriny no miorina amin’ny fankahalana sy tsy fifankatiavana rehefa tsy mitovy hevitra. Porofo iray nentiny ny hoe : manana vina hitondra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra Afrikanina ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, nifampiresaka tamin’ireo Filoha maro teto Afrika sy tamin’ny teto an-toerana. Noho ny fankahalana, noho ny tsy fanekena fa ny olona tsy mitovy hevitra aminao dia afaka mba hampandroso ny firenena ihany koa, dia mpilalao « 4eme division » no natolotsika kanefa lalao iraisam-pirenena na « match international », hoy i Rivo Rakotovao. Notsoipihiny fa tsy milaza hoe : hivavaka isika mba tsy handresy ny « 4eme division », saingy eto ianao no afaka mandaingalainga, fa vao mivoaka eto dia fantatry ny olona rehetra ny toetran’ny olona mitondra ny Firenena. Ny atsy Kenya anefa, izany Raila Odinga izany dia mpanohitra hatramin’izay nahalalana azy, fa ny Firenena no nojereny, fa tsy tahaka ny eto, ka tsy misy afatsy ny zanaka MAPAR. Nitondra fanamarihana i Rivo Rakotovao eo anatrehan’ny hoe : mijoroa ny mpanohitra, ka nilaza fa efa nijoro hatramin’izay, niaritra lakrimozinina, nenjehina hatrany anelakelan-trano hatramin’ireo Raiamandreny lehibe. Efa nanao izay vitanay izahay, ary mbola hanao izay vitanay. Ho aiza anefa izahay rehefa tsy hanao isika Malagasy. Na hitonon-tena hovonoin’ny olona eny aza ny mpanohitra rehefa mbola ny fitiavan-kely no mibahana, dia zarazarain’ny olona eto isika satria izy miasa miaraka amin’ny vola. Ny olona manao didy jadona dia mitondra fomba fiady hampiasana ny tanjaka ara-bola, ara-miaramila, ary milalao ny Fitsarana, ka izay no misy eto izao, hoy ity Mpitarika ny HVM ity. Nanipika i Rivo Rakotovao fa miresaka ny azo atao, fa ny hitsikombakomba amin’ny mpamotika Firenena tsy misy, tsy miaraka amin’ny mpanabotry firenena. Tsy manohitra bontolo ihany koa anefa, fa samy mahalala fa any amin’ny làlana tsy izy ny Firenena, ka tsy maintsy hatao ny fanavotana firenena.
Toky R
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy