Antananarivo ny ekipan’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) ampian’ny Kolekitifa an’ny Malagasy, raha ny fampahafantarana nataon’ny kandida Roland Ratsiraka omaly. Nitondra ny PV rehetra 309 ny MTS satria nolavin’ny SRMV Toamasina ny fangatahana hanao fampitahana, izay efa fantatsika rehetra ny anton’izany, hoy io depiote io. Nilaza ho matoky ary manantena izy ireo fa hahazo vokatra izay manakaiky ny tena voka- pifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey teo. Nanamafy fa manameloka ny fikasan’ny SRMV an’i Toamasina ambaran’izy ireo fa mikasa hanoratra voka- pifidianana diso ny MTS. PV 50 no nojerena omaly, ka andrasana ny tohiny sy ny akony. Tsy vao ny MTS fa efa nisy ireo kandida maromaro toy ny avy amin’ny Firaisankina tonga nanao fampitahana PV teny amin’ny CENI noho ny fahatsapana fa betsaka ny endrika hosoka sy hala-bato na finiavana hamadika voka-pifidianana ankitsirano. Efa maherin’ny 50 ihany koa amin’izao fotoana izao ny fitoriana voalaza fa efa tafapetraka eny amin’ny HCC, raha ny antontan’isa ny fiandohan’ny herinandro teo. Hanova zavatra sa mbola hijanona amin’ny azo raisina fa tsy mitombina ?
Toky R
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo