airtel

Politique

14-mai-2025

ROSSY

"Mba mahalalà menatra ianareo mpitandro filaminana"

Sample post image

Nanome tsiny ny mpitandro filaminana ny mpanakanto sady depiote teo aloha,

14-mai-2025

Paul Bert Rossy Rahasimanana na Rossy, manoloana ny fanakanan’izy ireo ny mpikambana anatin'ny hetsika 72 nanatitra voninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 may Analakely omaly. Tonga teny amin’ny 13 may moa ireto mpikamban’ny hetsika 72 ireto hanatitra voninkazo ho fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha 53 taonan'ny tolona 13 may 1972. Nanana taratasy avy amin’ny prefe izy ireo ary nasehony rehefa nisy ny sakantsakana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Noferan’ny mpitandro filaminana ho 20 ny isan'ireo mpikambana anatin'ny hetsika 72 afaka nanatitra voninkazo, raha toa ka mihoatra an’izay ny isan'izy ireo teny an-toerana. Nanoloana izany dia naneho ny heviny i Rossy. Mahalalà menatra lesy fa lahy antitra sy olon-dehibe voky taona ireo hahavita inona afa-tsy hanatitra voninkazo, hoy ny tenany?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap