airtel

Politique

16-sept-2024

Sao dia efa tsy rariny

Ataon'ny fanjakana fitadiavam-bola ireo kandida ?

Sample post image

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

16-sept-2024

teny amin'ny sampan-draharahan'ny hetra. Na dia efa voamarina fa voaloa ara-dalàna aza ny hetran-tany dia mbola notakiana hoe mila mandoa 150 000 ariary isan-taona mandritra ny 3 taona . Fa inona marina io lelavola 150 000 ariary takiana amin'ny kandida mpanolotsain'ny tanàna io. Nandritra iny herinandro nivalona iny dia maro be ny fitarainana momba azy io manerana faritra maro fa tsy hoe Antananarivo renivohitra ihany. Misy aza moa kandida nolazaina hoe 15 tapitrisa ariary no hetra tsy maintsy aloanao, fa rehefa nalefa ny adihevitra satria tsy nanaiky lembenana ilay kandida dia lasa ny ampahafolon'io no naloa. Fa inona no tena marina ?
HETRA ISAN-DAHY ?
Lasa ihany ny saina hoy ireo kandida mahatsiaro ho iharan'ny fanararaotana amin'izao tranga izao hoe: efa lasa fitadiavam-bola ho an'ny fanjakana koa ve ny fifidianana ? Ireo kandida ve sanatria no poretina hanefa hetra midangana mba ho isan'ny hampidi-bola ho an'ny fanjakana. Satria raha ireo mpanolotsaina rehetra no mandoa io hoe 150 000 ariary isan-taona ampitomboina 3 io, izany hoe 750 000 ariary dia efa misimisy ihany raha lisitra 3 amina kaominina 1693 manerana ny nosy. Hetra isan-dahy ve izany izy sa ahoana hoy ny kandida mpanolotsaina iray eto Antananarivo renivohitra ? Ankoatra ilay fahasahiranana amin'ny fikarakarana ilay taratasy manambara ny mana olom-pirenena malagasy izay miandry hatrany amin'ny 5 andro raha mahafeno fepetra, dia olana lehibe ho an'ireo kandida ny eo anivon'ny sampan-draharahan'ny hetra, koa izay angamba no maha vitsy dia vitsy ireo nametra dosie hatreto. Misy aza tonga dia nolavina satria tsy nahazo ilay "état 211 bis".


Manaraka akaiky ity raharaha ity ny maro ary miandry hoe ahoana no ataon'ireo kandidam-panjakana. Samy mifankahafantatra tsara mantsy eny an-tanàna ka sarotra ny mifamitaka sy mifanambaka hoe tampotampoka eo dia misy mahavita antontan-taratasy feno tsy misy tomika mihitsy.
RTT

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap