airtel

Politique

12-août-2024

Siteny Randrianasoloniaiko

«Tsy misy antenaina amin’io, fa ny tolona no mila hafainganina »

Sample post image

Latsaka an-davaka ny firenena, ary mahantra fadiranovana ny vahoaka Malagasy.

12-août-2024

Poakaty ilay PGE, resaka efa natao tany ihany no averina, fa ny vola iasana aiza, sanatrian’ny vava tsy hoe : olona tsy nianatra ny Malagasy ka horiberibena tahaka ireny. Aiza loha ny vola ? Efa fantatra izao fa nisy fihenana ny tetibolam-panjakana, ary tena nihena be, ka tsy misy zavatra azo atao hatramin’ny faran’ny taona. Na io fifidianana io aza mbola mampiahiahy hoe : misy vola hanatanterahana azy ve ? hoy i Siteny Randrianasoloniaiko Filoha lefitra faha-7 eo anivon’ny Antenimierampirenena ny sabotsy teo. Nambarany fa ny « lettre d’intention » tamin’ny alalan’ny Minisitry ny vola sy ny Governoran’ny Banky Mondialy, dia nanao fanekena isika fa ao anatin’ny 3 taona dia mbola hahena ny tetibolam-panjakana, ka ny dikan’izay dia tsy hisy zavatra handeha mihitsy eto. Ahena 320 miliara Ar isan-taona ao anatin’ny 3 taona, ka aiza ny vola hahafahana manatanteraka ny PGE ? Ny fidiram-bola rehetra potika, tsy misy vola ampiasaina,… Raha sahy ny governemanta dia mitenena fa misy vola ao ! Efa tsy firenena intsony isika satria raha jerena tsara ny fanekena na « engagement » nataon’ny Fitondrana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena, dia manao tatitra isan’andro aminy ny fitondram-panjakana, hatramin’ny Jirama manao tatitra,… Aza manantena an’io fitondrana io intsony isika Malagasy, fa raha te hanova isika, dia ny fomba fijerin’ny mpanohitra no madio sy manaja ny lalàna, ary mahitsy tsara sy mitondra fanovana ekonomika, hoy ity Filoha lefitra mpanohitra eo anivon’ny antenimierampirenena ity. Nanome toky moa ity farany fa ho sahy sy hijoro hanatanteraka ny andraikitra rehetra amin’ny maha mpanohitra mijoro eo anivon’ny Antenimierampirenena ny Firaisankina hiatrika ny mpitondra tsy manara-dalàna, tsy manaja ny demokrasia, tsy manaja zon’olombelona, ary mampahantra ny vahoaka Malagasy. Tsy manohitra bontolo ny RMDM sy ny Firaisankina fa ao anatin’ny fanajana ny demokrasia sy ny lalàmpanorenana, mitondra vahaolana izahay, fa sendra izay mpitondra bemarenina, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsy misy fandrosoana sy fivoarana azontsika antenaina amin’ireo mpitondra ireo, fa vao mainka hiha mahantra isika, ary hihamafy ny fiainana eto Madagasikara. Mitaona ny rehetra hanana firaisankina sy fahasahiana hanohy ny tolona hanoherana ny Fitondrana jadona mpampahantra vahoaka. Manoloana ny fifidianana hatao ny 11 desambra, dia nanamafy fa handray anjara mavitrika ny eo anivon’ny Firaisankina, ary ao anatin’ny famolovalana paikady satria antoko maro no miara-dia. « Mba hanafainganana ny tolona sy hampitsaharana ny fitondrana tsy mahomby, dia mangataka anao izahay Atoa Filoha Marc Ravalomanana hirotsaka ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap