sy ny fitsidihana ofisialin'ny Filoha Frantsay aty amin'ny Ranomasimbe Indianina mandritra ny 5 andro, izay efa nigadona tatsy amin'ny Nosy Mayotte omaly. Andrasana eto Madagasikara rahampitso. Stratejika be ho an'ny Frantsay io, raha tsy dia misy antenaina firy ho antsika Malagasy, na ekena aza ny mety hisiana fifanaovan-tsonia mikasika fifanarahana samihafa sy fampanantenana fanohanana,... Miara-dia amin'i Emmanuel Macron ny mpikambana vitsivitsy anatin'ny governemanta Frantsay, parlemanta, mpanolotsainy, mpandraharaha ara-toekarana,... Hisy ny fihaonany amin'i Andry Rajoelina eny Iavoloha, hiresahana lafin-javatra tena stratejika eo amin'i Madagasikara sy France, raha ny seraseran'ny Fiadidian'ny Repoblika. Hisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarana samihafa eo amin'ny governemanta roa tonta. Eo ihany koa ny lanonam-pahatsiarovana samihafa, fitsidihana manan-tantara ara-kolontsaina, fihaonana amin'ireo mpandraharaha ara-toekarana,... Hanamarika ny dian'i Macron ihany koa ilay fihaonana eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra izay ahafahan'ireo tanora notsongaina mitafa amin'ireo Filoha roa tonta. Namafisin'ny Fitondrana Rajoelina fa mipetraka hatrany ho mpiara-miombon'antoka stratejika ho an'i Madagasikara i Lafrantsa: toekarena, kolontsaina, sosialy,... Ny finiavana entin'ireo orinasa Frantsay eto amin'ny fampiroboroboana ny famoronan'asa dia isan'ny azo itarafana an'izany, raha ny seraseran'ny Fitondrana Malagasy. Tetikasa maro ihany koa no ambara fa tohanan'i Lafrantsa amin'ny alalan'ny AFD (Agence Française de Développement) sy ny Vondrona Eoropeanina. Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasan'ny Firenena roa tonta anatin'ny fifampitokisana sy firaisankiana io, hoy ny Fanjakana Rajoelina.
TSY HAMOTSOTRA NY RANOMASIMBE INDIANINA
Stratejika be ny dian'i Macron eto Madagasikara sy aty amin'ny Ranomasimbe Indianina, indrindra manoloana ny toe-draharaha ara-jeopolitika maneran-tany. Henjana ho an'i Lafrantsa ny nifehy ny fitsimbadihana any amin'ireo tany nozanahan'ny Frantsay, toa an'i Niger, Mali, Gabon,... I Algérie izao dia mahavita mifampitandroka amin'i Lafrantsa amin'ny lafiny diplaomasia. Mampihena ny tombotsoan'i Lafrantsa aty Afrika. Hanao izay hifehezana tanteraka ny Ranomasimbe Indianina izay stratejika be ara-toekarena noho ny harena maro miotrika ao aminy toy ny tahirin-tsolika, tahirina harena voajanahary,... mazava ho azy i Lafrantsa mba tsy hitombo ny fahavoazana. Stratejika be ara-jeografika sy ara-barotra ihany koa noho izy lalovan'ireo sambo maro eran-tany. Manamafy ny fametrahana tafika aty amin'ny fari-dranomasina Indianina toy ny FAZOI izay miaro ny Îles Éparses, ary resaka efa nandeha teo aloha ny mety hamerenana ny tobim-pamaharana Frantsay ao Antsiranana nampiasaina tamin'ny fanjanahantany,... Mialohan'izao dian'i Macron izao dia tanterahana any Mahajanga ny fanazaran-tena ara-tafika aty amin'ny Ranomasimbe Indianina antsoina hoe: "Tulip" izay ny tafika Frantsay no mitarika azy. Vao mainka miteraka sary ratsy ho an'i Lafrantsa ny namotsoran'ny Anglisy ny ampahany betsaka amin'ny Nosy Chagos hiverina amin'i Maurice. Raha mody adala mikasika ny Îles Éparses ny mpitondra Malagasy, dia mbola manamafy ny hamerenana an'i Mayotte aminy i Comores, saingy tsy hamerina an'ireo i Lafrantsa raha mbola ato ho ato. Ny tsy azo adinoina dia anisan'ireo mpikambana maharitra ao anatin'ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana i Lafrantsa, manana ny teny farany na "droit de véto" ka tsy misy hirahariany izay fanapahan'ny ONU mikasika ireo Nosy bodoiny.
TAPI-MASO…
Tsy maintsy handamina sy hifehy an'ireny amin'ny fiaraha-miasa fampanginana sy tapi-maso anefa i Lafrantsa, ka ho an'i Madagasikara dia isan'ny andrandrain'ny mpitondra ny famafana trosa mivantana na ankolaka, fiandrandrana fanampiana sy trosa, fiandrandrana ny hiverenan'ny Frantsay hanohana ireo tetikasa stratejika samihafa toy ny lafiny angovo dia i Volobe, Sahofika,... Tahaka izany ihany koa ny fiaraha-miasa ara-toekarena voizin'ny mpitondra eto. Tsy vao izao no nisy an'izany fa nitondra antsika nankaiza? Ireny no toa lasa tapi-maso fa izay famerenana ny Îles Éparses mbola ho nofy hatreto ! Manamafy ny mbola fiankinan-doha sy fiandrandran'ny Fitondrana eto amin'ny Frantsay ka moa tsy manamafy ny fanjanahantany amin'ny endriny vaovao ?
Toky R
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,
Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,
Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony