airtel

Politique

11-nov-2024

Tahina Razafinjoelina

"Aza manaiky ambakaina, asa ihany no mampandroso"

Sample post image

Nisy ny fomba efa nahazatra teto hatramin'izay dia ilay mametraka kely sy mizarazara zavatra kely rehefa

11-nov-2024

propagandy. Rehefa voataiza tamin'izay ny olona nandritra ny 30 taona dia tsy mora ny manova ny fomba fisainana, tena tsy mora ny manova ny lasitra ao anaty atidoha ao . Tsy maintsy manapa-kevitra ny hiova anefa raha te hanana fiainana mivoatra sy mihatsara ary miaina fampandrosoana maharitra, fa tsy hoe rehefa propagandy isaky ny 5 taona ihany vao mba metimety kely ny fiainana, fa avy eo fahoriana sy fahasahiranana be indray. Izay no mahatonga ny kandida ho ben'ny tanàna eto Antananarivo renivohitra Tahina Razafinjoelina manao ny ezaka rehetra hanairana ny olom-pirenena tsirairay, hamoazana ireo matory, itaritana ireo mety diso lalana mba iverina any amin'ny lalana mampandroso tokoa fa tsy ho tavela any amin'ilay : "iny lalana iny, lalan-tsarotra. Aoka isika tsy ho ambakain'ny sasany amin'ny fanomezana koveta sy T-shirt hoy i Tahina R teny Anosipatrana sy Ambodirano Ampefiloha omaly alahady.Mila tonga saina isika fa asa maharitra no mampandroso hoy izy. Zavatra mipetraka fa tsy mandalo.Asa maharitra ihany no vahaolana amin'ny fahasahiranana. Porofo mitohaka amin'ny tenda azo raisina tsara momba izany ireo firenena mandroso toa an'i Etazonia,Japon,Chine, Singapore, Rwanda...tena miasa ny olona any, tsy ilay asam-birao 8 ora fa tena mihoatra . Asa mafy, vokatra tsara dia miditra ny vola, afaka hanatsarana ny fiainana. Izay ihany fa tsy misy ankoatr'izay.
RTT
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

sy ny frantsay ny fitondrana »

Card image cap
13-nov-2025

Efa nentina eto Antananarivo omaly,

Card image cap
13-nov-2025

fongory ny saribakolin’ny mpanjanaka!

Card image cap
13-nov-2025

jiro sy rano ho an'ny vahoaka

Card image cap
13-nov-2025

pirenena, miantso ireo manam-pahaizana

Card image cap