novolavolaina hatry ny ela no hoentina ho an’Antananarivo, hoy i Tahina Razafinjoelina omaly, raha vahin’ny Radio Aceem FM 103.4 omaly. Nambarany kosa fa nisy ny vina sy tetikasa nomena maimaimpoana ny ben’ny tanàna tena akaiky azy miaraka amin’ny fanatanterahana, fa tsy noraisina, tsy lany tamin’ny Filankevitra monisipaly kanefa efa vita hatramin’ny fifandresen-dahatra tamin’ny mpiara-miombon’antoka. Malagasy ihany ny vahaolana, ka mitodia amin’ny Malagasy raha te hampandroso ny Firenena, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Ny zava-misy amin’izao rehefa misy olana hoe : andao haka vazaha, dia jereo io izao ny Jirama. Ny hoe : fanarenana dia tsy maintsy mijery zavatra maromaro. Olombelona no voalohany eto, azo amboarina ilay tanàna raha tsy mandry fahalemana, azo amboarina raha lany vola amin’ny lasantsy,... Ny Antananarivo mandroso, dia ny olombelona no mandroso voalohany. Ny olombelona mandroso dia voalohany ny fananana asa fivelomany, tena hitodika makany amin’ny tanora, olon-dehibe,… satria ny tsy fandriampahalemana dia ny tsy fananan’asa no antony voalohany. Andao ilay asa no ho jerena. Ho hitantsika eo fa ho ben’ny tanànan’ny asa, asa tsy misy rendrarendra, asa tsy misy fampanofinofisana, hoy izy nanipy resaka. Asa tena mitondra soa, ary Malagasy hiara-hiasa amin’ny Malagasy, mora takatry ny tetibola. Momba ny zava-misy eo anivon’ny CUA, dia 39 miliara Ar ny tetibolany tamin’ny 2023. Ny fitantanam-bola no tena zava-dehibe, ka rehefa tsy mahay mitatam-bola dia aza mitantana fa tsy misy hevitra. Ny 29 miliara Ar karama fotsiny. 55 miliara no novinavinaina tamin’ny hetran-trano saingy 7 miliara Ar. Tsy mazoto ny olona ary tsy hoe : hakarina fa raha mazava ny fitantanana ny enti-manana, mazava ny hoenti-miasa, misy tamberin’andraikitra, mangaraharaha,… Hetran-trano lafo be miainga amin’ny 1 hetsy tonga 6 tapitrisa Ar, tena lafo be izany, ka tsy maintsy jerena ny ohatr’izany, tsy maintsy mangarahara ny zavatra miainga avy any am-paosin’ny vahoaka sy miditra amin’ny kaominina. Andrasana ny maha kandida ofisialy, fa izay ilay Antananarivo nomerika, ka ho fantatry ny rehetra ny vola miditra sy mivoaka. Alohan’ny propagandy dia efa havoaka izany, ary hatolotra na iza na iza ho lany, fa tsy hoentina mody, hoy izy. Zava-dehibe ny mangarahara, ary miainga amin’io ny fampandrosoana any amin’ny Firenena.
MILA MAHALALA NY ZAVA-MISY, JEREO AMIN’NY SAINA MAHITSY
Nomarihiny ihany koa, fa tsy maintsy mahalala ny zava-misy, misy ny fitohizana, ka tsy hoe : andeha hofafana ny teo aloha. Misy ny tetikasa vatsian’ny AFD, misy ny PRODUIR,… vatsian’ny mpiara-miombon’antoka an-tapitrisa ny dolara. Mila mahafehy sy mahafantatra. Tsy miteny olona aho, hoy izy, fa miteny ny zavatra tokony. Tokony hisy ny adihevitra politika hoe : voafehy ve ilay raharaha ? Ny tena manahirana ary fantatry ny zatra manao ratsy, dia fitahiny ny vahoaka. Andao ny zavatra marina amin’izay no jerena, hoy i Tahina Razafinjoelina. Aleo ny asa no hiteny ho antsika, ary anjarantsika avy eo ny miteny hoe : mety na tsy mety izany. Nanamarika ny tokony hampiakarana ny lentan’ny adihevitra ihany koa izy, ka andao tsy hoentina tarehy na bika na fo. Rehefa ny saina sy ny fanahy no mijery dia lasa ny hoe : manao ahoana ny lasany, ny zavatra nataony ve nahomby, tena tsy nivelona tamin’ny politika ve,… Miala tsiny aho fa tsy entina amin’ny hoe : mahay miresaka, mahafinaritra ny fiteniny, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo
Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.
Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,
Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny
Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto
Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy