airtel

Politique

28-sept-2026

TAHINA RAZAFINJOELINA

"Tsy sehoseho ivelany

Sample post image

ny politika fa fanana vina mazava tsara"

28-sept-2026

Nizara traikefa sy fahalalana momba ny antsoina hoe "marketing politique" tamin'ireo mpianatry ny INSCAE teny 67 ha ny sabotsy lasa teo i Tahina Razafinjoelina, mpandraharaha sady mpanao politika; izy moa no filoha nasionalin'ny antoko Tia Tanindrazana ary efa kandida filoham-pirenena ny taona 2023. Tsotra sady mahitsy ny fomba firesany nanao hoe : Mila sahy mijoro manao ny marina sy mandray fanapahan-kevitra mitombina araka ny lalàna ary fantatra hoe hitera-boka-tsoa ny atao hoe mpitantana. Ny politika, hoy izy dia dia tsy fanompoana olombelona fa fanarahana ny vina sy ny lalàna mifehy ny antoko politika.
TETIKASA AZO TANTERAHANA
Ho an'i Tahina Razafinjoelina dua my MARINA no tokony hanjaka eo anivon'ny fiarahamonina izay tokony hita taratra amin'ny fanarahan-dalàna. Tsy ny fisehosehoana ivelany no tokony ho ivon’ny politika, fa ny fananana tetikasa mazava sy azo tanterahana ary ny fahafahana manatanteraka izany. Nampiany hoe : ny vina sy fomba fijery iraisana no mampiara-dia ny mpanao politika sy ny antoko politika fa tsy ny tombontsoa manokana .
MANDROSO VAHAOLANA
Tokony hifototra amin’ny fahitsiana sy ny mangarahara ny fampielezan-kevitra na propagandy hoy ny filohan'ny antoko Tia Tanindrazana ary miresaka ireo olana fototra eto Madagasikara. Mandroso vahaolana mazava sy azo tanterahana ny kandida. Tokony hifantoka amin’ny fitsinjaram-pahefana, fangaraharan'ny fomba fiasa ary fanabeazana hatrany ny politika sy ny fitantanana ny firenena. Ny olan’i Madagasikara dia tsy voatery ho ny tsy fisian’ny lalana ihany, hoy i Tahina Razafinjoelina fa indrindra ny fomba fampiasana sy fitantanana ireo fotodrafitrasa misy. Ny namehezany ny famelabelaran-kevitra nataony nanoloana ireto mpianatry ny INSCAE irero izay hita fa tena liana tokoa dia ny hoe : tsy tokony ho kivy rehefa mitantana na orinasa na firenena fa mila mitady vahaolana mandrakariva.
Nangonin ' i Narindra
 

Dans la même rubrique

28-sept-2026

Misy manahy sy matahotra antsojay politika

Card image cap
28-sept-2026

Samia mijoro hanafoanana ny politika bizina

Card image cap
28-sept-2026

misakana ny fandrosoana eto Madagasikara"

Card image cap
24-sept-2026

tsy mahatarika vahoaka ireo te hanala !

Card image cap