airtel

Politique

10-janv-2024

Tapitra anio fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna

Mbola somokotra amin’ny kajy politika ny mpitondra

Sample post image

Tapitra tanteraka anio alarobia 10 janoary 2024 ny 4 taona fe-potoam-piasan’ireo

10-janv-2024

ben’ny tanàna sy ny mpanolontsain’ny tanàna manerana ny Nosy. Mbola baraingo anefa hatreto ny fanatanterahana ny fifidianana izay handimby azy ireo. Inona no fepetra horaisina sa hosoloina ho ben’ny Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS avokoa ny mpitantana ? Nisy rahateo ny fanovana ny andinindininy momba ny lalàna mifehy ny fifidianana ben’ny tanàna, izay novaina ho 5 taona ny fe-potoana hiasana, lisitra no fidiana ka ny mpanolontsaina miray lisitra amin’izay ben’ny tanàna lany no voafidy ho mpanolontsaina fa tsy ifampizarana arakaraky ny isam-bato azo intsony,… Efa nandalo teny amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna io ary efa lany saingy mbola andrasana ny dingana manaraka tahaka ny eny amin’ny HCC hoe : mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sa tsia ? Raha eken’ny HCC dia mbola handalo didy hampanan-kery azy na « promulgation » avy amin’ny Filoham-pirenena. Hiandry an’io ve vao hirosoana ny fifidianana ben’ny tanàna ? Tena ho fanatsarana ny fomba fiasa tokoa ve no nanovana noho ireo mpanolontsaina hafa ambara fa manao sakana amin’ny fampandrosoana sa kajy politika ? Amin’ny lafiny iray, mety hitombona io hoe : mampananosarotra ny fanatanterahana ny vinam-pampandrosoana apetraky ny ben’ny tanàna no mety ho fitsipahan’ny mpanolontsaina tsy avy amin’ny antokony. Amin’ny lafiny iray ihany koa anefa, dia arofanina politika eo anatrehan’ny mety ho tsikombakombam-pitantanana. Sarotsarotra ny herijikan’ny antokon’ny fitondrana amin’izao na nisy aza ny ilay ambara fa fandresena tamin’ny isan-jato 58% nandritra ny fifidianana filoham-pirenena izay tsy tena nandraisan’ny mpanohitra anjara ka sao tahotra ara-politika amin’ny mety hahazoan’ny mpanohitra vahana izao ? Tapitra ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna saingy mbola manjavozavo izany ny tohiny. Noho ny kajy politika, ny fifidianana ben’ny depiote no kasaina halefa aloha mba hikatsahana ny maro an’isa eny anivon’ny Antenimiera. Heverina fa mbola ho taom-pifidianana ity 2024 ity, dia ny fifidianana depiote, ben’ny tanàna, ary raha ny voalazan’ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana dia tokony hofidiana ihany koa ny Lehiben’ny Faritra izay novain’ny fitondrana Rajoelina ho governora na tsy voafaritra anaty lalàmpanorenana aza io.
Toky R
Sary fanehoana : Ny ben’ny tanànan’Antananarivo mivady tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna 4 taona lasa izay !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap