airtel

Politique

15-déc-2023

Tetezamitan’ny Jeneraly Ravalomanana

Tratra ny iraka nampanaovin-dRajoelina…

Sample post image

Nihaona tamin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard

15-déc-2023

teny Iavoloha Atoa Andry Rajoelina, izay nambaran’ny HCC fa lany ho Filoham-pirenena tamin’ny fifidianana farany teo, ary hanao fihanianana rahampitso 16 desambra. Nambara fa ao anatin'ny filaminana no hanaovana ny lanonana, hampisehoana fa mahay mandray vahiny ny Malagasy. Filoham-panjakana avy any ivelany, miaraka amina delegasionina maro no nambara fa ho avy hanatrika. ''Manamarika ny fahavononany hiara-hiasa amintsika no ahatongavan’ireo filoham-pirenena vahiny maro ireo”, hoy i Andry Rajoelina. Anisan’ny nambara fa ho avy eto ny filohan'i Comores, Angola, Zimbabwe, Maurice, hatrany delegasionina avy any Eropa sy Etazonia... Eo koa ny avy amin'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana. Nambara fa anisan’ny fiaraha-miasa efa voaresaka tamin’ireo firenena ireo ny hanampiana ny fametrahana toby famokarana herinaratra avy amin'ny tohodrano eto Madagasikara sy ny fanohizana ny fanamboaran-dalana, ary ny fanomezana lanja manokana ny fambolena. Tsy vao izao no nandrenesana fomba firesaka tahaka izany ary tsaroana tsara ny tamin’ny 2018 nilazana fa hanao famokarana 400MW ao anatin’ny 5 taona saingy hiditra dimy taona faharoa mbola delestazy lava, nolazaina fa tsy hampandroso i Madagasikara na amin’ny 2060 aza ny mpamatsy vola mahazatra,… Efa niova izany ankehiny satria betsaka ny vahiny matoky sy manohana an'i Madagasikara, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Ny tenany izay nisaotra ny filoha mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin'ny ambarany fa fandraisana andraikitra tao anatin'ny fahintsiana sy fahamendrehana na tao anatin'ny vanim-potoana sarotra aza satria nolazaina fa nisy ny fikasan-dratsy sy fanehoana endrika ratsy. Niverina hatrany ilay firesak’ity manamboninahitra misotro ronono ity sy ny mpitondra hoe: ''tsy mila korontana intsony isika, ary ao anatin'ny filaminana no hampandrosoana ny firenena''. Nahavita ny iraka ara-politika nampanaovina azy ny Jeneraly Ravalomanana Richard tao anatin’izay tetezamita kely izay, raha tarafina amin’ny zava-misy, dia ny fifehezana sy ny fanenjanana nentina nampanekena ny fifidianana tao anatin’ny lonilony sy ny fijoroan’ny kandida sy ny vahoaka nitaky fifidianana madio, Fanjakana tan-dalàna,… Etsy an-kilany, nankasitraka an’Atoa Andry Rajoelina koa ny filoha mpisolo toerana, izay nilaza fa efa be no vitan’itsy farany ho an'ny Tandrindrazana, fa mino sy matoky izy fa mbola hahavita be noho ny teo aloha ianao. Tena arakaraka izany ve ny vokatra raha tarafina amin’ny fiainam-bahoaka, ny sosialy, toekarena,… ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap