airtel

Politique

20-oct-2026

TETIKASA

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

Sample post image

Fikambanana 3 vatsiana 452 tapitrisa Ar

20-oct-2026

Manoloana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny Rejisitry ny Mpifidy Nasionaly tarihin’ny CENI, nanamafy ny fanohanany ny ezaka fanentanana sy fanabeazana ara-pifidianana ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) amin’ny alalan’ny tetikasa « Élections-MAHASAKY ». Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy sy ny tanora vehivavy amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ity dingana lehibe fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ity, izay fisoratana vaovao ity. Tao anatin’ny Fanavaozana Isan-taona ny Lisitry ny Mpifidy (RALE) 2024, isan’ireo toerana mbola latsaky ny 48% ny tahan’ny vehivavy voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy. Mifantoka amin’ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika ireo fikambanana vehivavy avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ny tetikasa. Fikambanana telo dia ny Madagascar Development Fund (MDF) miaraka amin’ny Mpanazava Eto Madagasikara, ny Vondron’ny African Women Leaders Network (AWLN) Madagascar, Gender Links Madagascar ary Mazava Saigna, ary ny CSA TANJONA. Mitentina 98.797 dolara amerikana, na 452 tapitrisa ariary eo ho eo ny vola natokana ho an’ity hetsika ity ao anatin’ny tetikasa Mahasaky, izay vatsian’ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fanamafisana ny Fandriampahalemana (UN PBF). Ao anatin’ny paikady mampifandray akaiky ny hetsika amin’ny vondrom-bahoaka eny ifotony, dia hiasa any amin’ny kaominina 117 miparitaka amin’ny distrika 17 ao anatin’ny faritra 12 ireo fikambanana. Anisan’ireo faritra voakasika i Diana, Sava, Ihorombe, Melaky, Alaotra-Mangoro, Atsinanana, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsimo-Atsinanana, Haute Matsiatra, Betsiboka ary Menabe. Kendrena amin’izany ny hanakaikezana bebe kokoa ny mponina sy hampifanarahana ny fanentanana amin’ny zava-misy sy ny filàna manokana isaky ny faritra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina, ny fanabeazana ara-pifidianana, ny fanofanana sy fampandraisana anjara ireo vehivavy mpanentana eny an-toerana, ny fanohanana sy fitarihana ireo vehivavy mankany amin’ny toerana fisoratana anarana, fanentanana mampiasa ny nomerika sy tsy nomerika,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-oct-2026

Miantso ny PRRM ho mailo amin’ireo manodidina azy

Card image cap
20-oct-2026

Mangataka ny FFKM hanome

Card image cap
20-oct-2026

Voaheloka 5 taona an-tranomaizina,

Card image cap
19-oct-2026

Na ny namana aza tsy

Card image cap
19-oct-2026

ny repoblika"

Card image cap