nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teo amin'ny Dépôt 4ème no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam- paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana ny talata 24 Septambra teo. Ramatoa iray miasa amin'ny cash point no saika lasibatry ny jiolahy rehefa nitondra vola handeha hody teo amin'ny dépôt 4ème tamin'ny 07 ora hariva. Nahatazana ny fihetsik'ireto farany ny rangahy iray tompona cash point ka nanao izay hanakanana ny fandrobana. Tamin'izany indrindra no nitifiran'iray tamin'ireo jiolahy azy ka nandràtra ity farany. Tsy nisy araka izany ny vola very. Nisy ny fikarohana nataon'ireo Polisy tao an-toerana ka ny roa tamin'ireo jiolahy no tratra. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany hafa.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy mpanafika cash point ao Toamasina ao !
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.