hoy ny mpanao politika sady mpamakafaka politika, Faniry Razafimanantany. Aty amin’ny fifidianana manakaiky vahoaka, toy ny fifidianana depiote sy kaominaly, hoy izy, dia somary malalaka kokoa. Tsy voatery hoe amin’ny alalana antoko na vondron’antoko fa azo atao ny mirotsaka amin’ny alalan’ny tsy miankina na mahaleotena. Hitantsika ny zava-misy. Manana solombavambahoaka 50 isa eo ny tsy miankina. Nisy foana hatramin’izay ny tsy miankina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka nifanesy. Fantantsika koa ny zava-nitranga raha ny isan’ny solombavambahoaka azon’ny mpiaradia amin’ny fitondrana, tamin’ny famoahana ny vokatra vonjimaikan’ny CENI dia 82 no azon’ny IRMAR, izay mpiaradia amin’ny fitondram-panjakana. Ahoana no fomba nahazoan’ny fitondram-panjakana ny atao hoe «majorité absolue» na maro an’isa matanjaka satria tena mikaonty be io? Voalohany indrindra, iankinan’ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana io. Ireo izany no manana ny foto-kevi-dehiben’ny fitondram-panjakana ka mifanaraka amin’izay no fomba hitondrana ilay antenimieram-pirenena. Tsy nanana maro an’isa matanjaka ny IRMAR tato amin’ny vokatra vonjimaikan’ny CENI. Rehefa namoaka kosa ny HCC dia nosokirina moramora tato amin’ny tsy miankina ilay solombavambahoaka famenon-kisa dia lasa nahazo 84 ny IRMAR. Mbola tsy nanitsaka an’i Tsimbazaza akory avy eo ireo solombavambahoaka hoe mahaleotena, mbola tsy tafapetraka tao akory ny fitombenany, dia ny vatan’izy ireo indray no nalefa niaradia amin’ny fitondram-panjakana. Mbola nandalo an’i Tsimbazaza ny tongony sy fitombenany dia efa nivadika tamin’ny vahoaka nifidy azy ireo solombavambahoaka mahaleotena. Ny vahoaka nifidy azy no mpampiasa politika na «patron politique» an’ny tsy miankina. Ny an’ireo miankina amin’ny antoko kosa dia mazava ho azy fa eo ny vahoaka ary eo ny antoko, amin’ny alalan’ny fitsipiky ny antoko. Ny iray izany tena ilay vahoaka mihitsy, fa ny iray mbola misy hoe antoko sy ny fitsipiky ny antoko ka rehefa miteny hoe hiaraka amin’ny fitondram-panjakana ilay tsy miankina dia midika izany fa hametraka fepetra ilay fitondram-panjakana ho amin’ny fiarahana aminy fa tsy mandehandeha fotsiny amin’izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.
Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,
Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery
Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.
Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana
Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024